Namoron-kira fisaonana an’i Josiasa i Jeremia, ary nilaza an’i Josiasa ny mpihira rehetra na lahy na vavy amin’ny hira fisaonana nataony mandrak’androany, ka tonga fanao eo imason’i Israely izany; ka indro fa voasoratra ao amin’ny Fihirana fisaonana izany hira izany.
Nony niherina ny taona dia nasain’i Nabokodonozora mpanjaka nentina ho any Babilôna izy, mbamin’ny fanaka sarobidy tao an-tranon’i Iaveh. Ary i Sedesiasa rahalahin’i Joasina, no notendreny ho mpanjakan’i Jodà sy i Jerosalema.
Tamin’izay dia nentin’i Iaveh hiakatra hamely azy ireo ny mpanjakan’ny Kaldeanina, ary novonoin’io tamin’ny sabatra tao an-tranon’ny fitoerany masina, ny zatovony, tsy nisy nananany antra, na ny tovolahy, na ny tovovavy, na ny antitra na ny fotsy volo, fa natolony ho eo an-tanany avokoa.
Ny kiboko re! ny kiboko re! mihatra amin’ny vololon’aiko ny fanaintainana! Mikorontana ny foko; tsy afa-mangina aho, fa renao, ry fanahiko, ny feon’anjomara, ny akoran’ady.
Izany, dia noho ny hadalan’ny vahoakako! Fa tsy mba mahalala Ahy akory izy ireo; zaza tsy misy saina, sy tsy manam-pahalalana izy, ka ny manao ratsy no mahakinga azy; fa ny manao soa tsy fantany akory.
raha hoy ianareo: Tsia, fa any Ejipta no halehanay, izay tsy hahitanay ady, tsy handrenesanay feon’anjomara, tsy hahatsiarovanay noana, ka any no honenanay;
Mandosira, ry taranak’i Benjamina, hiala ao afovoan’i Jerosalema. Mitsofa anjomara any Tekoà, ary manangàna famantarana any Betakarema! Fa misy loza tamy avy any avaratra ary fandringanana lehibe.