Latsahany fandrika afo sy solifara hoatra ny ranonorana ny ratsy fanahy; rivo-mahery no ho anjara kapoakan’ireny.
Jeremia 4:12 - Baiboly Katolika rivotra mahery noho ny mahapaoka mololo no tonga mankamiko. Ary amin’izao dia izaho kosa indray no hamoaka ny teny fitsarana momba azy ireo. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Fa izany dia rivotra mahery izay nirahiko avy amin’ireny, ary ankehitriny kosa dia hifandahatra aminy Aho. DIEM PROTESTANTA fa rivotra mahery izay nirahiko avy any, ka hanambaràko ankehitriny ny didim-pitsarana hamelezako azy.» Dikateny Iombonana Eto Madagasikara fa rivotra mahery izay nirahiko avy any, ka hanambaràko ankehitriny ny didim-pitsarana hamelezako azy.» Baiboly Protestanta Malagasy Dia ho tonga avy amiko izay rivotra mahery noho ireny; Ary ankehitriny Izaho kosa hifandahatra aminy. Malagasy Bible Dia ho tonga avy amiko izay rivotra mahery noho ireny; Ary ankehitriny Izaho kosa hifandahatra aminy. La Bible en Malgache Fa izany dia rivotra mahery izay nirahiko avy amin’ireny, ary ankehitriny kosa dia hifandahatra aminy Aho. |
Latsahany fandrika afo sy solifara hoatra ny ranonorana ny ratsy fanahy; rivo-mahery no ho anjara kapoakan’ireny.
Dia hamoaka ny didim-pitsarana hanameloka azy ireo Aho, noho ny haratsiany rehetra, fa nandao Ahy izy ireo, dia nanolotra emboka tamin’andriamani-kafa, ary nivavaka tamin’ny asan-tanany.
Amin’izany andro izany, dia hilazana ity firenena ity sy i Jerosalema hatao hoe: Misy rivo-mahamay avy any amin’ny havoana any an’efitra, eo amin’ny lalana mankany amin’ny zanaka vavin’ny vahoakako, ka tsy hikororohana na hanadiovana;
Indro izy miakatra toy ny rahona; tahaka ny tadio ny kalesiny; miriotra faingana mihoatra noho ny voromahery ny soavaliny. Loza ho antsika fa ringana isika ity!
Izao no lazain’i Iaveh: Indro hohetsehiko hamely an’i Babela sy hamely ny mponina amin’i Kaldea ilay fanahy mpandringana.
noho izany, izao no lazain’i Iaveh Tompo: Indro kosa Aho izao tamy hamely anao, Izaho no hanatanteraka eo afovoanao ny teny voatapaka eo imason’ireo firenena;
Fa hahavokatra eo amin’ny rahalahiny i Efraima; nefa ho tonga ny rivotra avy atsinanana; hiakatra avy any an’efitra ny fofon’ain’i Iaveh; ka ho maina ny loharanony; ho tankina ny fantsakàny; hobaboiny ny firaketan’ny zava-tsarobidy rehetra.
Dia mandroso ny tafio-drivotra ka mihoatra, ary izy mahazo heloka; ny herin’ny tenany dia izay no andriamaniny!