Satria hahatonga loza, fa tsy soa amin’ity tanàna ity, no nitodihan’ny Tavako azy, - teny marin’i Iaveh, - dia hatolotra eo an-tanan’ny mpanjakan’i Babilôna izy, ka hodorany ho levona amin’ny afo.
Jeremia 38:3 - Baiboly Katolika Izao no lazain’i Iaveh: Hatolotra ny tafiky ny mpanjakan’i Babilôna ity tanàna ity, ka ho afany.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Izao no lazain’NY TOMPO: Ity tanàna ity dia hatolotra eo an-tanan’ny miaramilan’ny mpanjakan’i Babilona tokoa ka ho azony. DIEM PROTESTANTA Ary hoy koa i Jeremià hoe: «Izao no lazain’ny TOMPO: Hatolotra eo an-tanan’ny tafiky ny mpanjakan’i Babilôna tokoa ity tanàna ity ka ho azony.» Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ary hoy koa i Jeremià hoe: «Izao no lazain’ny TOMPO: Hatolotra eo an-tanan’ny tafiky ny mpanjakan’i Babilôna tokoa ity tanàna ity ka ho azony.» Baiboly Protestanta Malagasy Izao no lazain’i Jehovah: Ity tanàna ity dia hatolotra eo an-tànan’ny miaramilan’ny mpanjakan’i Babylona tokoa ka ho afany. Malagasy Bible Izao no lazain'i Jehovah: Ity tanàna ity dia hatolotra eo an-tànan'ny miaramilan'ny mpanjakan'i Babylona tokoa ka ho afany. La Bible en Malgache Izao no lazain’NY TOMPO: Ity tanàna ity dia hatolotra eo an-tanan’ny miaramilan’ny mpanjakan’i Babilona tokoa ka ho azony. |
Satria hahatonga loza, fa tsy soa amin’ity tanàna ity, no nitodihan’ny Tavako azy, - teny marin’i Iaveh, - dia hatolotra eo an-tanan’ny mpanjakan’i Babilôna izy, ka hodorany ho levona amin’ny afo.
Izao no lazain’i Iaveh, Andriamanitr’i Israely: Indro, ny fiadiana eny an-tananareo, entinareo miady any ivelan’ny manda, amin’ny mpanjakan’i Babilôna sy ny Kaldeanina, izay manao fahirano anareo, dia hataoko miverina any aoriana sy hangoniko eo afovoan’ny tanàna;
Izay mbola hitoetra amin’ity tanàna ity dia ho fatin’ny sabatra na ny mosary na ny pesta; izay hivoaka hanatona ireo Kaldeanina na manao fahirano anareo kosa dia ho velona ary hanana ny ainy ho babony.
Izao no lazain’i Iaveh, ny amin’ny mpanjaka mipetraka eo amin’ny seza fiandrianan’i Davida, ny vahoaka rehetra monina amin’ity tanàna ity, sy ireo rahalahinareo tsy mba lasa nandeha niaraka taminareo ho any amin’ny tany fahababoana.
ary ny Kaldeanina kosa hiverina atỳ ary hiady amin’ity tanàna ity, sady hahafaka azy sy handoro azy.
Fa raha tsy mivoaka hanatona ny lehiben’ny mpanjakan’ny Babilôna kosa ianao: ity tanàna ity hatolotra eo an-tanan’ny Kaldeanina, ka hodorany; ianao kosa tsy ho afa-mandositra azy ireo.»