Jeremia 38:18 - Baiboly Katolika18 Fa raha tsy mivoaka hanatona ny lehiben’ny mpanjakan’ny Babilôna kosa ianao: ity tanàna ity hatolotra eo an-tanan’ny Kaldeanina, ka hodorany; ianao kosa tsy ho afa-mandositra azy ireo.» Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 201118 fa raha tsy mivoaka hanatona ny mpanapaky ny mpanjakan’i Babilona kosa ianao dia hatolotra eo an-tanan’ny Kaldeana ity tanàna ity sady hodorany amin’ny afo izy ary tsy ho afa-mandositra ny tanany ianao. Jereo ny tokoDIEM PROTESTANTA18 Fa raha tsy manaiky hitolo-batana amin’ireo manamboninahitry ny mpanjakan’i Babilôna kosa ianao, dia hatolotro eo an-tanan’ny Babilônianina ity tanàna ity ka hodorana amin’ny afo; ary ianao tsy ho afa-mandositra azy akory.» Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara18 Fa raha tsy manaiky hitolo-batana amin’ireo manamboninahitry ny mpanjakan’i Babilôna kosa ianao, dia hatolotro eo an-tanan’ny Babilônianina ity tanàna ity ka hodorana amin’ny afo; ary ianao tsy ho afa-mandositra azy akory.» Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy18 fa raha tsy mivoaka hanatona ny mpanapaky ny mpanjakan’i Babylona kosa hianao, dia hatolotra eo an-tànan’ny Kaldeana ity tanàna ity, sady hodorany amin’ny afo izy, ary tsy ho afa-mandositra ny tànany hianao. Jereo ny tokoMalagasy Bible18 fa raha tsy mivoaka hanatona ny mpanapaky ny mpanjakan'i Babylona kosa ianao, dia hatolotra eo an-tànan'ny Kaldeana ity tanàna ity, sady hodorany amin'ny afo izy, ary tsy ho afa-mandositra ny tànany ianao. Jereo ny tokoLa Bible en Malgache18 fa raha tsy mivoaka hanatona ny mpanapaky ny mpanjakan’i Babilona kosa ianao dia hatolotra eo an-tanan’ny Kaldeana ity tanàna ity sady hodorany amin’ny afo izy ary tsy ho afa-mandositra ny tanany ianao. Jereo ny toko |
Izay firenena ama-mpanjaka tsy mety manaiky azy, dia i Nabokodonozora, mpanjakan’i Babilôna, sy tsy hanao ny vozony ho eo ambanin’ny jiogan’ny mpanjakan’i Babilôna, io firenena io dia hovangiako amin’ny sabatra, amin’ny mosary, amin’ny pesta, - teny marin’i Iaveh, - mandra-pandringako azy amin’ny tanany.
ka niditra avokoa ny mpanapaky ny mpanjakan’i Babilôna, ary naka toerana mafy teo amin’ny vavahady afovoany, dia i Nergaly-Seresera mpiambina ny trano firaketana, i Nabo-Sarsakima lehiben’ny eonòka, i Nergaly-Seresera lehiben’ny majy, mbamin’ny sisa rehetra amin’ny mpanapaky ny mpanjakan’i Babilôna.