Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 38:3 - DIEM PROTESTANTA

3 Ary hoy koa i Jeremià hoe: «Izao no lazain’ny TOMPO: Hatolotra eo an-tanan’ny tafiky ny mpanjakan’i Babilôna tokoa ity tanàna ity ka ho azony.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

3 Izao no lazain’NY TOMPO: Ity tanàna ity dia hatolotra eo an-tanan’ny miaramilan’ny mpanjakan’i Babilona tokoa ka ho azony.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

3 Ary hoy koa i Jeremià hoe: «Izao no lazain’ny TOMPO: Hatolotra eo an-tanan’ny tafiky ny mpanjakan’i Babilôna tokoa ity tanàna ity ka ho azony.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

3 Izao no lazain’i Iaveh: Hatolotra ny tafiky ny mpanjakan’i Babilôna ity tanàna ity, ka ho afany.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

3 Izao no lazain’i Jehovah: Ity tanàna ity dia hatolotra eo an-tànan’ny miaramilan’ny mpanjakan’i Babylona tokoa ka ho afany.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

3 Izao no lazain'i Jehovah: Ity tanàna ity dia hatolotra eo an-tànan'ny miaramilan'ny mpanjakan'i Babylona tokoa ka ho afany.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

3 Izao no lazain’NY TOMPO: Ity tanàna ity dia hatolotra eo an-tanan’ny miaramilan’ny mpanjakan’i Babilona tokoa ka ho azony.

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 38:3
7 Rohy Ifampitohizana  

Fa tsy ny hitondra soa amin’ity tanàna ity no kendreko, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO, fa ny hitondra loza aminy; hatolotro eo an-tanan’ny mpanjakan’i Babilôna izy hodorany amin’ny afo.»


izao fanambaràn’ny TOMPO Andriamanitr’i Israely izao: «Indro hataoko miverin-dalana ireo miaramila izay miady any ivelan’ny manda amin’ny mpanjakan’i Babilôna sy ny Kaldeanina noho ny fahirano ataony anareo, ka hampodîko ho ao afovoan-tanàna.


Na iza na iza mijanona amin’ity tanàna ity dia ho fatin’ny ady sy ny mosary ary ny areti-mandringana ato. Fa izay mivoaka ny tanàna kosa mba hitolo-batana amin’ny mpanafika dia hahavonjy ny ainy.


«Ny amin’ny mpanjaka izay mipetraka eo amin’ny sezafiandrianan’i Davida sy ny amin’ny vahoaka rehetra izay mbola mipetraka eto Jerosalema, izany hoe ireo mpiray firenena tsy mba nentina ho babo niaraka taminareo, dia izao no lazain’ny Tompo,


Ho avy indray kosa ny Babilônianina hanafika ity tanàna ity ka hahazo azy sady handoro azy amin’ny afo.


Fa raha tsy manaiky hitolo-batana amin’ireo manamboninahitry ny mpanjakan’i Babilôna kosa ianao, dia hatolotro eo an-tanan’ny Babilônianina ity tanàna ity ka hodorana amin’ny afo; ary ianao tsy ho afa-mandositra azy akory.»


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra