sady nanome didy an’i Helkiasa mpisorona, sy i Ahikama zanak’i Safàna, sy i Akobôra zanak’i Mikà, sy i Safàna mpanoratra, ary i Asaiasa mpanompon’ny mpanjaka hoe:
Jeremia 36:12 - Baiboly Katolika ka dia nidina nankany an-tranon’ny mpanjaka, tao amin’ny efitranon’ny mpanoratra; ka indro fa nipetraka tao avokoa ny lehibe, dia i Elisama mpanoratra, i Dalaiasa zanak’i Semeiàsa, i Elinatana zanak’i Akobôra, i Gamariasa zanak’i Safàna, i Sedekiasa zanak’i Hananiasa, mbamin’ny lehibe rehetra. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 dia nidina nankany amin’ny tranon’ny mpanjaka izy ka nankao amin’ny efitranon’ny mpitantsoratra; ary indreo ny mpanapaka rehetra nipetraka teo, dia i Elisama mpitantsoratra; i Delaia, zanak’i Semaia; i Elnatana, zanak’i Akbora; i Gemaria, zanak’i Safana; ary i Zedekia, zanak’i Hanania mbamin’ny mpanapaka rehetra. DIEM PROTESTANTA dia nidina tao an-dapan’ny mpanjaka ary tonga amin’ny biraon’ny mpitantsora-panjakana. Nivory tao avokoa ny mpitondra fanjakana ambony: i Elisamà mpitantsora-panjakana, i Delaià zanakalahin’i Semahià, i Elnatàna zanakalahin’i Hakbôra, i Gemarià zanakalahin’i Safàna, i Tsedekià zanakalahin’i Hananià sy ireo mpitondra fanjakana hafa rehetra. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara dia nidina tao an-dapan’ny mpanjaka ary tonga amin’ny biraon’ny mpitantsora-panjakana. Nivory tao avokoa ny mpitondra fanjakana ambony: i Elisamà mpitantsora-panjakana, i Delaià zanakalahin’i Semahià, i Elnatàna zanakalahin’i Hakbôra, i Gemarià zanakalahin’i Safàna, i Tsedekià zanakalahin’i Hananià sy ireo mpitondra fanjakana hafa rehetra. Baiboly Protestanta Malagasy dia nidina nankany amin’ny tranon’ny mpanjaka izy ka nankao amin’ny efi-tranon’ny mpanoratra; ary indreo ny mpanapaka rehetra nipetraka teo, dia Elisama mpanoratra sy Delaia, zanak’i Semaia, sy Elnatana, zanak’i Akbora, sy Gemaria, zanak’i Safana, sy Zedekia, zanak’i Hanania, mbamin’ny mpanapaka rehetra. Malagasy Bible dia nidina nankany amin'ny tranon'ny mpanjaka izy ka nankao amin'ny efi-tranon'ny mpanoratra; ary indreo ny mpanapaka rehetra nipetraka teo, dia Elisama mpanoratra sy Delaia, zanak'i Semaia, sy Elnatana zanak'i Akbora, sy Gemaria, zanak'i Safana, sy Zedekia, zanak'i Hanania, mbamin'ny mpanapaka rehetra. La Bible en Malgache dia nidina nankany amin’ny tranon’ny mpanjaka izy ka nankao amin’ny efitranon’ny mpitantsoratra; ary indreo ny mpanapaka rehetra nipetraka teo, dia i Elisama mpitantsoratra; i Delaia, zanak’i Semaia; i Elnatana, zanak’i Akbora; i Gemaria, zanak’i Safana; ary i Zedekia, zanak’i Hanania mbamin’ny mpanapaka rehetra. |
sady nanome didy an’i Helkiasa mpisorona, sy i Ahikama zanak’i Safàna, sy i Akobôra zanak’i Mikà, sy i Safàna mpanoratra, ary i Asaiasa mpanompon’ny mpanjaka hoe:
Dia nandeha i Helkiasa mpisorona, i Ahikama, i Akorôba, i Safàna, ary i Asaiasa nankany amin’i Holdà mpaminany vavy vadin’i Seloma, zanak’i Tekoà, zanak’i Araasa mpitahiry ny fitafiana; tao Jerosalema amin’ny faritry ny tanàna faharoa izy no mipetraka. Nony efa niteny taminy izy ireo,
Tamin’ny taona faha-18 nanjakan’i Josiasa mpanjaka, dia naniraka an’i Safàna, mpanoratra, zanak’i Aslia zanak’i Mesolama, ny mpanjaka ho any amin’ny tranon’i Iaveh, nanao hoe:
18 taona i Joasina fony vao nanjaka, ary telo volana no nanjakany tao Jerosalema. Ny anaran-dreniny dia i Nohestà zanak’i Elnatàna avy ao Jerosalema.
Nony nandre izany zavatra izany ny loholon’i Jodà, dia niakatra avy any an-tranon’ny mpanjaka izy, nankao an-tranon’i Iaveh, ka nipetraka teo anoloan’ny vavahady Vaovao amin’ny tranon’i Iaveh.
Fa naniraka olona ho any Ejipta i Jôakima mpanjaka, dia i Elnatàna zanak’i Akobôra, ary olon-kafa koa niaraka taminy, ho any Ejipta.
Fa ny tanan’i Ahikama zanak’i Safàna kosa dia nanohana an’i Jeremia. Ka tsy natolotry ny vahoaka hovonoin-ko faty izy.
Efa nihanta mafy tamin’ny mpanjaka anefa i Elnatàna sy i Dalaiasa ary i Gamariasa, mba tsy handoro ilay horonan-taratasy; fa tsy nohenoiny izy ireo.
Dia hoy ny lehibe tamin’ny mpanjaka: «Aoka hovonoina io lehilahy io! Fa mampiraviravy tanana ny lehilahy mpiady sisa eto an-tanàna mbamin’ny vahoaka rehetra izy, amin’ny fanaovana teny toy izany aminy. Fa tsy mba mitady izay hahasoa ity vahoaka ity io lehilahy io, fa izay hampidi-doza aminy ihany.»
Nony tamin’ny volana fahafito, tonga tao amin’i Godoliasa zanak’i Ahikama tao Masfà, i Ismaely zanak’i Nataniasa zanak’i Elisamà, taranak’andriana, nomban’ireo andriambaventin’ny mpanjaka sy olona folo lahy koa, dia niara-nihinana tao Masfà izy ireo.