Jeremia 34:17 - Baiboly Katolika
Koa izao no lazain’i Iaveh: Tsy nihaino Ahy ianareo fa tsy nitory fahafahana ho an’ny rahalahiny sy ho an’ny namany avy; koa indro Izaho kosa mitory fahafahana ho anareo. - teny marin’i Iaveh. - Halefako ianareo ho amin’ny sabatra sy ny pesta ary ny mosary, sady hataoko zavatra fampitahorana any amin’ny fanjakana rehetra ambonin’ny tany.
Jereo ny toko
Koa izao no lazain’NY TOMPO: Tsy nihaino Ahy ianareo ka tsy nety nitory fanafahana ho an’ny rahalahinareo sy ny namanareo avy; dia indro, miantso fanafahana ho anareo kosa Aho, hoy NY TOMPO, nefa ho an’ny sabatra sy ny areti-mandringana ary ny mosary; hatolotro ho fampangovitana ny fanjakana rehetra amin’ny tany ianareo.
Jereo ny toko
Dia hoy ihany i Jeremià hoe: «Noho izany dia izao no lazain’ny TOMPO: Samy tokony ho nanambara fanafahana ho an’ny mpanompony avy ianareo, dia ho an’ny namany sady mpiray firenena aminy; nefa tsy nankatò Ahy ianareo. Koa Izaho TOMPO mihitsy no manambara sy miteny hentitra aminareo fa halefako hamely anareo ny ady sy ny areti-mandringana ary ny mosary; hany ka hataoko mampivarahontsana ianareo any amin’ny fanjakana rehetra eran-tany.

Koa izao no lazain’i Jehovah: Hianareo tsy nihaino Ahy ka tsy nety nitory fanafahana ho an’ny rahalahinareo sy ny namanareo avy; dia, indro, miantso fanafahana ho anareo kosa Aho, hoy Jehovah, nefa ho an’ny sabatra sy ny areti-mandringana ary ny mosary; ary hatolotro ho mpanjenjena any amin’ ny fanjakana rehetra amin’ny tany hianareo.
Jereo ny toko
Koa izao no lazain'i Jehovah: Hianareo tsy nihaino Ahy ka tsy nety nitory fanafahana ho an'ny rahalahinareo sy ny namanareo avy; dia, indro, miantso fanafahana ho anareo kosa Aho, hoy Jehovah, nefa ho an'ny sabatra sy ny areti-mandringana ary ny mosary; ary hatolotro ho mpanjenjena any amin'ny fanjakana rehetra amin'ny tany ianareo.