Tsy toy izany va ny fianakaviako amin’Andriamanitra? Satria fanekena mandrakizay no nataony tamiko, voalamina sy voatandrina tsara indrindra; ka hampitsimohiny tokoa ny famonjena ahy rehetra sy ny sitraky ny fony rehetra.
Jeremia 33:21 - Baiboly Katolika amin’izany, dia ho foana ny fanekeko tamin’i Davida mpanompoko, ka tsy hanan-janaka lahy hanjaka eo amin’ny seza fiandrianany izy, sy ny fanekeko amin’ireo Levita mpisorona, manao fanompoana Ahy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 dia ho azo foanana koa ny fanekeko tamin’i Davida mpanompoko, tsy hananany zanakalahy hanjaka eo amin’ny sezafiandrianany, sy ny amin’ny levita mpisorona, mpanompoko. DIEM PROTESTANTA dia ho foana ny fanekempihavanana nataoko tamin’i Davida mpanompoko ka tsy hanana zanakalahy hipetraka eo amin’ny sezafiandrianany izy, ary tsy hisy koa ny mpisorona taranak’i Levỳ hanao fanompoam-pivavahana ho Ahy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara dia ho foana ny fanekempihavanana nataoko tamin’i Davida mpanompoko ka tsy hanana zanakalahy hipetraka eo amin’ny sezafiandrianany izy, ary tsy hisy koa ny mpisorona taranak’i Levỳ hanao fanompoam-pivavahana ho Ahy. Baiboly Protestanta Malagasy Dia ho azo foanana koa ny fanekeko tamin’i Davida mpanompoko, Tsy hananany zanakalahy hanjaka eo amin’ny seza fiandrianany, Sy ny amin’ny Levita mpisorona, mpanompoko. Malagasy Bible Dia ho azo foanana koa ny fanekeko tamin'i Davida mpanompoko, tsy hananany zanakalahy hanjaka eo amin'ny seza fiandrianany, sy ny amin'ny Levita mpisorona, mpanompoko. La Bible en Malgache dia ho azo foanana koa ny fanekeko tamin’i Davida mpanompoko, tsy hananany zanakalahy hanjaka eo amin’ny sezafiandrianany, sy ny amin’ny levita* mpisorona, mpanompoko. |
Tsy toy izany va ny fianakaviako amin’Andriamanitra? Satria fanekena mandrakizay no nataony tamiko, voalamina sy voatandrina tsara indrindra; ka hampitsimohiny tokoa ny famonjena ahy rehetra sy ny sitraky ny fony rehetra.
Tsy tian’i Iaveh anefa ny handringana ny taranak’i Davida noho ny fanekena nataony tamin’i Davida sy noho ny teny nataony taminy fa hanome jiro azy mbamin’ny taranany mandrakariva.
dia hataoko mafy orina ny seza fiandrianan’ny fanjakanao, araka ny efa nifanekeko tamin’i Davida rainao, nataoko hoe: Tsy ho lany taranaka hanjaka eo amin’i Israely ianao na oviana na oviana.
Efa nianianako indray mandeha tamin’ny fahamasinako, ka tsy handainga amin’i Davida Aho.
Atongilano ny sofinareo, ka mankanesa atỳ amiko; mihainoa ka aoka ho velona ny fanahinareo. Ary hanao fanekena mandrakizay aminareo Aho, ka hanome anareo ny fahasoavana nampanantenaina an’i Davida.
Fa tahaka ny lanitra vaovao, sy ny tany vaovao efa hoarîko, haharitra eo anatrehako, - teny marin’i Iaveh,- no haharetan’ny taranakareo sy ny anaranareo.
Ireo Levita mpisorona koa, tsy ho diso lehilahy na oviana na oviana eo anatrehako, hanolotra sorona dorana, hampanetona ny fanatitra, ary hanao ny sorona isan’andro isan’andro.
Nataonao fanjakana sy mpisorona ho an’Andriamanitra izy ireo, ka manjaka etỳ ambonin’ny tany.»