12 taona i Manase fony tonga mpanjaka, ary 55 taona no nanjakany tao Jerosalema. Ny anaran-dreniny dia i Hafsibà.
Jeremia 32:34 - Baiboly Katolika Ary nametraka ireo fahavetavetany tao an-trano fiantsoana ny anarako, handotoany azy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Fa nametraka ny fahavetavetany tao amin’ny trano izay efa niantsoana ny anarako izy handotoany azy; DIEM PROTESTANTA Ankoatra izany, dia nametrahany sampy tao amin’ny tempoly natokana ho Ahy ka nolotoiny. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ankoatra izany, dia nametrahany sampy tao amin’ny tempoly natokana ho Ahy ka nolotoiny. Baiboly Protestanta Malagasy Fa nametraka ny fahavetavetany tao amin’ny trano izay efa niantsoana ny anarako izy handotoany azy; Malagasy Bible Fa nametraka ny fahavetavetany tato amin'ny trano izay efa niantsoana ny anarako izy handotoany azy; La Bible en Malgache Fa nametraka ny fahavetavetany tao amin’ny trano izay efa niantsoana ny anarako izy handotoany azy; |
12 taona i Manase fony tonga mpanjaka, ary 55 taona no nanjakany tao Jerosalema. Ny anaran-dreniny dia i Hafsibà.
Nesoriny tao an-tranon’i Iaveh ny aserah, navoakany any ivelan’i Jerosalema tany amin’ny lohasahan-driaka Sedrôna dia nodorany tany amin’ny lohasahan-driakan’i Sedrôna, ary nony nataony nanjary vovoka, dia nafafiny teny amin’ny fasan’ny zana-bahoaka izany vovoka izany.
Nesoriny tao an-tranon’i Iaveh ny andriamani-kafa, ny sampy, mbamin’ireo ôtely rehetra naoriny teo an-tendrombohitry ny tranon’i Iaveh, sy tao Jerosalema, ka nariany tany ivelan’ny tanàna.
Ny lehiben’ny mpisorona rehetra mbamin’ny vahoaka koa nandroso nanao fahadisoana manaraka ny fahavetavetan’ny firenena, sy nandoto ny tranon’i Iaveh, izay efa nohamasininy, tao Jerosalema.
satria izy ireo efa nahafoy ahy, sy nanova fenitra ity fitoerana ity, fa nanatitra emboka manitra teto, ho an’ny andriamani-kafa, izay tsy fantany akory, na izy, na ny razany, na ny mpanjakan’i Jodà; sady efa nameno ran’ny tsy manan-tsiny, an’ity tanana ìty.
Hatramin’ny mpaminany ama-mpisorona aza no olona tsy voahasina, ary hitako hatrao an-tranoko aza ny haratsiany, - teny marin’i Iaveh. -
Ny lehilahinao rehetra, nanadino anao, fa tsy manan-draharaha aminao akory. Satria nasiako toy ny famely fahavalo ianao, tamin’ny famaizana lozan-tany, noho ny habetsahan’ny helokao, fa efa nitombo be ny fahotanao.
Fa ianareo kosa androany efa nody, ka nanao izay mahitsy eo imasoko tamin’ny nitorianareo fahafahana samy handefa ny namany avy; efa nanao fanekena teo imasoko ianareo tao amin’ny trano iantsoana ny Anarako.
Efa naniraka ny mpaminany mpanompoko rehetra taminareo Aho, sady naniraka azy hatramin’ny vao maraina, hilaza aminareo hoe: «Aza dia manao izany fahavetavetana hàlako izany ianareo.»
dia tonga, dia miseho eto anatrehako indray, eto amin’ity trano iantsoana ny Anarako ity, ka manao hoe: ‹Ho afaka isika!› Ary ny mba hanao izany fahavetavetana rehetra izany no anton’izany.
Fa nanao izay ratsy imasoko ny taranak’i Jodà, - teny marin’i Iaveh, - nametraka ny fahavetavetany eo amin’ny trano fiantsoana ny Anarako mba handotoany azy;
ary nanorina ireo fitoerana avo any Tôfeta, amin’ny lohasahan’ny zanak’i Hinôma, handoroany amin’ny afo ny zanany lahy aman-janany vavy; nefa zavatra tsy mba nodidiako izany, na mba noheverin’ny saiko akory.