Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Jeremia 3:9 - Baiboly Katolika

Ny fahavetavetany mahoraka no nandotoany ny tany, ary nitolo-tena hiraiki-po tamin’ny vato aman-kazo izy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Nandoto ny tany avy tamin’ny horakoraky ny fijangajangany izy ary nijangajanga tamin’ny vato aman-kazo.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Nijangajanga tamin’ireo andriamanitra vato aman-kazo izy ary nandoto ny tany tamin’ny nataony.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Nijangajanga tamin’ireo andriamanitra vato aman-kazo izy ary nandoto ny tany tamin’ny nataony.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary tamin’ny fihorakorahan’ny fijangajangany no nandotoany ny tany, ary nijangajanga tamin’ny vato sy ny hazo izy.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary tamin'ny fihorakorahan'ny fijangajangany no nandotoany ny tany, ary nijangajanga tamin'ny vato sy ny hazo izy.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Nandoto ny tany avy tamin’ny horakoraky ny fijangajangany izy ary nijangajanga tamin’ny vato aman-kazo.

Jereo ny toko



Jeremia 3:9
16 Rohy Ifampitohizana  

Fa manatòna, ianareo, ry zanak’ikala mpanao ody, ry taranaky ny mpaka vadin’olona sy mpijangajanga!


Ny vato kilonjy eny an-dohasahan-driaka, no anjaranao, izany dia izany no anjaranao! Fa ireny avy no nanidinanao fanatitra araraka, sy notoloranao fanatitra! Moa tsy maintsy hahafa-po Ahy va izany?


Adala sy ketrina avokoa izy rehetra; fampianaran-java-poana; dia hazo!


Ary voalohany aloha, dia hovaliako avo sasaka ny heloka amam-pahotany; satria izy ireo nandoto ny taniko, ny fatin-tsampiny sy ny fahavetavetany no namenoany ny lovako.»


izay manao amin’ny hazo hoe: ‹Ianao no raiko›; sy amin’ny vato hoe: ‹Ianao no niteraka ahy.› Fa ny lamosina no natodiny ahy, fa tsy mba ny tavany, ka nony avy izay mahory azy, vao hanao hoe izy: ‹Mitsangàna, ka vonjeo izahay!›


Ary tany hoatra ny saha be hazo mamoa no nitondrako anareo, mba hihinananareo ny vokany aman-java-tsoa eo aminy. Kanjo nony tafiditra ianareo nolotoinareo ny taniko, ary nataonareo fahavetavetana ny lovako.


Andrandrao amin’ny havoana ny masonao, ka jereo: Taiza no tsy nandotoana anao? Nipetraka eny an-dalambe eny ianao mba ho azy ireo, mova tsy ny Arabo any an’efitra! Ary ny fijangajanganao sy ny haratsiam-panahinao, dia efa nandotoanao ny tany;


Nalainao koa ny firavakao, tamin’ny volamena amam-bolafotsiko, izay nomeko anao, dia nanaovanao sarin-dehilahy izay nanoloranao tena hivarina aminy.


Nampitanjaka azy izy ireo, nahalasa ny zanany lahy aman-janany vavy; namono azy io tamin’ny sabatra, ka tonga nalaza ratsy tamin’ny vehivavy izy fa niharan’ny fitsarana.


Niverina tamin’ny heloky ny fahatanoranao ianao; dia ny fony nanindrian’ny Ejiptianina ny nononao, noho ny tratran’ny fahavirijinianao.


Izy ireo dia nijangajanga tany Ejipta, nijangajanga tamin’ny andro fahatanorany; tany no namihinana ny nonony, tany no nanindriana ny tratran’ny fahavirijiniany.


Ary hiara-mivory ny taranak’i Jodà sy ny taranak’i Israely, ka hanangana filoha iray hiombonany, dia hiakatra hiala amin’ny tany, fa ho lehibe ny andron’i Jezrahely.


Ny tapa-kazony no ilàn’ny vahoakako saina, ary ny tehiny no manoro azy ny ho avy, fa misy saim-pijangajangana nampania, ny vahoakako, ary lasa nijangajanga nanalavitra ny Andriamaniny.


Mitaraina aminao aho, Iaveh ô, fa levon’ny afo ny kijana an’efitra, voadoron’ny lelafo ny hazo rehetra any an-tsaha.


Loza ho an’izay manao amin’ny hazo hoe: Mitsangàna! sy amin’ny vato moana hoe: Mifohaza! Hampianatra va izy? Indro fa voapetaka volamena sy volafotsy izy, nefa tsy mba misy fofon’aina akory ao anatiny.


Fa Izaho kosa milaza aminareo fa izay rehetra misao-bady, afa-tsy noho ny fijangajangana ihany, dia mampijangajanga azy; ary izay hanambady ny voasaotra dia mijangajanga.