Ka tapa-kevitra ankehitriny aho ny hanao fanekena amin’i Iaveh Andriamanitr’i Israely, mba hialan’ny fahatezerany mirehitra amintsika.
Jeremia 3:5 - Baiboly Katolika Izany no lazainao, nefa mbola manao ratsy ihany ianao, sady mahatanteraka izany.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ho tezitra mandrakizay va Izy? Hitahiry fahatezerana hatramin’ny farany va Izy? Indro, efa niteny toy izany ianao, nefa nanao izany ratsy izany ihany ka nahatanteraka izany. DIEM PROTESTANTA mbola ho tezitra amiko ihany ve ianao ka hitahiry alahelo amiko hatrany?» Izany no teninao tamiko, nefa tsy nitsahatra nanao ratsy ianao, sady tena havanana tamin’izany. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara mbola ho tezitra amiko ihany ve ianao ka hitahiry alahelo amiko hatrany?» Izany no teninao tamiko, nefa tsy nitsahatra nanao ratsy ianao, sady tena havanana tamin’izany. Baiboly Protestanta Malagasy Ho tezitra mandrakizay va Izy? Hitahiry fahatezerana hatramin’ny farany va Izy? Indro, efa niteny toy izany hianao, nefa nanao izany ratsy izany ihany ka nahatanteraka izany. Malagasy Bible Ho tezitra mandrakizay va Izy? Hitahiry fahatezerana hatamin'ny farany va Izy? Indro, efa niteny toy izany ianao, nefa nanao izany ratsy izany ihany ka nahatanteraka izany. La Bible en Malgache Ho tezitra mandrakizay va Izy? Hitahiry fahatezerana hatramin’ny farany va Izy? Indro, efa niteny toy izany ianao, nefa nanao izany ratsy izany ihany ka nahatanteraka izany. |
Ka tapa-kevitra ankehitriny aho ny hanao fanekena amin’i Iaveh Andriamanitr’i Israely, mba hialan’ny fahatezerany mirehitra amintsika.
Ampodio indray amin’ny toetranay taloha izahay, ry Andriamanitry ny famonjena anay ô; atsaharo ny hatezeranao aminay.
Dia ho tezitra mandrakizay aminay va Ianao? dia hampaharetinao mandrakizay va ny haviniranao?
Fa tsy te-hifandahatra mandrakariva aho, na hitahiry fahatezerana mandrakizay; satria amin’izany dia ho torana eo anatrehako ny fanahy sy ny aina izay nataoko.
Koa mandehana, ary ireto teny ireto ataovy amin’ny feo avo, amin’ny lafiny avaratra ka lazao hoe: Miverena, ry Israely mpiodina, - teny marin’i Iaveh - Tsy sitrako ny hanenjan-tava aminareo, fa mamindra fo Aho - teny marin’i Iaveh - ka tsy mitahiry fahatezerana mandrakizay.
Ka nahoana àry ity vahoaka eto Jerosalema no efa diso lalana, ka no dia mbola mizotra amin’ny hadisoana ihany? Fa mikikitra mafy amin’ny fitaka izy ireo, ka tsy mety miverina akory.»
«Nitandrina tsara Aho ary nihaino: Tsy miteny araka ny mety izy ireo; tsy misy manenina amin’ny haratsiany, na manao hoe: Inona re ity nataoko e? Fa dia samy rafitra mihazakazaka indray avokoa, hoatra ny soavaly miezaka ho amin’ny ady!
Indreto ny lehiben’i Israely, eo aminao, fa samy mikezaka ny handatsa-dra, araka ny heriny avy.
Mila loza izay mieritreritra ny hanao ratsy sy misaintsaina eo am-pandriana ny loza hafitsony! Raha vao maraina koa, tanterahiny izany, raha tahiny mbola mety hoefain’ny tanany ihany.
Ny ratsy dia efa eo ny tanana hahatontosa azy; ny mpanapaka, mamoritra; ny mpitsara, mametra izay kolikoly ho azy, ary ny lehibe mampiharihary ny fitsiriritany; dia indray mifoko hanao ny ratsy izy.