Mitsangàna, ry Iaveh ô! Vonjeo aho, ry Andriamanitro! Fa Ianao no mamely ny takolaky ny fahavaloko rehetra; Ianao no manorotoro ny nifin’ny ratsy fanahy.
Jeremia 3:23 - Baiboly Katolika Eny, zava-poana teny amin’ny havoana teny an-tendrombohitra ny horakoraka mankalaza ny sampy. Fa amin’i Iaveh Andriamanitsika ihany no misy ny famonjena an’i Israely. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Azo antoka fa fitaka ny avy amin’ny tendrombohitra sy ny horakoraky ny havoana; fa ao amin’NY TOMPO Andriamanitray ihany no famonjena azo antoka ho an’ny Israely. DIEM PROTESTANTA Eny tokoa, fa nanodoka anay ny fanompoan-tsampy teny an-kavoana sy ny horakoraka teny an-tendrombohitra, kanefa aminao TOMPO Andriamanitray ihany no hahitan’Israely famonjena. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Eny tokoa, fa nanodoka anay ny fanompoan-tsampy teny an-kavoana sy ny horakoraka teny an-tendrombohitra, kanefa aminao TOMPO Andriamanitray ihany no hahitan’Israely famonjena. Baiboly Protestanta Malagasy Foana tokoa ny horakoraka any amin’ny tendrombohitra sy ny havoana; Marina fa ao amin’i Jehovah Andriamanitray ny famonjena ny Isiraely. Malagasy Bible Foana tokoa ny horakoraka any amin'ny tendrombohitra sy ny havoana; Marina fa ao amin'i Jehovah Andriamanitray ny famonjena ny Isiraely. La Bible en Malgache Azo antoka fa fitaka ny avy amin’ny tendrombohitra sy ny horakoraky ny havoana; fa ao amin’NY TOMPO Andriamanitray ihany no famonjena azo antoka ho an’ny Israely. |
Mitsangàna, ry Iaveh ô! Vonjeo aho, ry Andriamanitro! Fa Ianao no mamely ny takolaky ny fahavaloko rehetra; Ianao no manorotoro ny nifin’ny ratsy fanahy.
Ny olona manomana ny soavaly ho amin’ny andro hiadiana, fa i Iaveh ihany, no iankinan’ny fandresena.
Ary izao no hiseho amin’izany andro izany: Ny sisa amin’i Israely ary izay afaka tsy lany amin’ny taranak’i Jakôba, dia hitsahatra tsy hiankina amin’izay namely azy intsony, fa hiankina amin’i Iaveh izy ireo amin’ny masin’i Israely, tsy hivadika aminy.
Inty ny Andriamanitry ny fahafahako; matoky aho, fa tsy manan-tahotra; fa ny heriko sy fiderako, dia i Iaveh, i Iaveh, Izy no famonjena ahy teo.»
Zava-poana avokoa ny mpanao sampy, ary tsy misy asany akory izay asany tampony indrindra. Tsy mahita na inona na inona ny vavolombelon’izy ireny, tsy mahalala na inona na inona, ka henatra ho azy izany.
Fa i Israely kosa novonjen’i Iaveh amin’ny famonjena mandrakizay; tsy ho menatra na hangaihay intsony ianareo, amin’ny taona ho avy.
Mivoria ianareo, ka avia, miaraha manatona, ry sisan’ny firenena izay afaka. Tsy mahalala na inona na inona izay mitondra ny sampy hazony, sy miantso izay andriamanitra tsy mba mamonjy.
Iza moa ity avy any Edôma, avy any Bôsrà, mitafy mena midorehitra? Mamirapiratra izy amin’izany fitafiana izany, mijoro amin’ny haben’ny heriny. - Izaho ity, izay miteny amim-pahamarinana, sady manan-kery hamonjy.
Ianao anefa no Rainay; fa i Abrahama tsy mahalala anay, ary i Israely tsy mahafantatra anay. Ianao, Iaveh, no tianay; Mpanavotra anay no Anaranao, hatrizay ela izay.
Ianao ilay fanantenan’i Israely, sy mpanafaka azy amin’ny andro fahoriana, nahoana no dia tahaka ny vahiny amin’ny tany, sy tahaka ny mpandeha manorin-day handry amin’ny alina?
Ry Iaveh ô, sitrano aho, dia ho sitrana; vonjeo aho, dia ho voavonjy; fa Ianao no fiderako!
Toy ny fahatsiarony ny zanany, no fahatsiarony ny ôteliny aman’aseràny, eny akaikin’ny hazo maitso sy eny amin’ny havoana manerinerina eny.
Izao no lazain’i Iaveh tamiko, tamin’ny andro nanjakan’i Josiasa mpanjaka: «Hitanao va ny nataon’i Israely mpiodina? Lasa nankany amin’ny tendrombohitra avo rehetra izy, sy teny ambany hazo maitso rehetra teny ka nitolo-tena tamin’ny hafa tany!»
Fa izao no lazain’i Iaveh: Mihobia an-kafaliana, ny amin’i Jakôba, manaova firavoravoana, noho ny amin’ilay lohan’ny firenena; ataovy re ny feonareo, mihirà hira fiderana, ka lazao hoe: «Ry Iaveh, vonjeo ny olonao, dia ny sisa amin’i Israely!»
Nony efa tafiditra teo amin’ny tany nianianako sady nananganako tanana homena azy izy ireo, rehefa mety ho havoana milangalanga sy hazo mikirindro hitany koa, dia nanolorany ny sorony sy nanaterany ireo fanatiny, sady nararany teny ny fanatitra araraka.
Fa ny taranak’i Jodà no hiantrako; ary i Iaveh Andriamaniny no hamonjeko azy ireo; fa tsy amin’ny tsipìka, na amin’ny sabatra, na amin’ny ady, na amin’ny soavaly, na amin’ny mpitaingin-tsoavaly no hamonjeko azy.»
Hianareo mivavaka amin’izay tsy fantatrareo, fa izahay no mivavaka amin’izay fantatray, satria avy amin’ny Jody ny famonjena.