Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Jeremia 29:9 - Baiboly Katolika

Satria tsy marina no aminaniany aminareo, amin’ny Anarako; tsy naniraka azy ireo Aho, - teny marin’i Iaveh. -

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Fa lainga no faminaniany aminareo amin’ny anarako; tsy naniraka azy ireny Aho, hoy NY TOMPO.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Fa mihambo ho maminany amin’ny anarako izy nefa lainga izany, fa tsy naniraka azy akory Aho, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO.›

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Fa mihambo ho maminany amin’ny anarako izy nefa lainga izany, fa tsy naniraka azy akory Aho, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO.›

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Fa lainga no vinaniny aminareo amin’ny anarako; tsy naniraka azy Aho, hoy Jehovah.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Fa lainga no vinaniny aminareo amin'ny anarako; tsy naniraka azy Aho, hoy Jehovah.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Fa lainga no faminaniany aminareo amin’ny anarako; tsy naniraka azy ireny Aho, hoy NY TOMPO.

Jereo ny toko



Jeremia 29:9
7 Rohy Ifampitohizana  

Izaho tsy naniraka ireo mpaminany; nefa nihazakazaka izy! Izaho tsy niteny taminy, nefa naminany izy!


Aza mihaino ny tenin’ny mpaminaninareo, izay manao aminareo hoe: Tsy hampanekena ny mpanjakan’i Babilôna ianareo; fa lainga no vinanìny aminareo.


Tsy naniraka azy ireo Aho, - teny marin’i Iaveh, - fa maminany lainga amin’ny Anarako izy, mba handroahako anareo, sy haharingana anareo, dia ianareo mbamin’ireo mpaminany maminany aminareo.


Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika, Andriamanitr’i Israely, ny amin’i Akaba zanak’i Kôliasa, sy i Sedesiasa zanak’i Maasiasa, izay maminany lainga aminareo amin’ny Anarako: Indro izy hatolotro eo an-tanan’i Nabokodonozora, mpanjakan’i Babilôna, ka hovonoiny eo imasonareo.


Satria namoafady tamin’i Israely izy ireo, nijangajanga tamin’ny vadin’ny namany, sy naminany lainga tamin’ny Anarako, izay tsy nandidiako azy, ary mahalala izany Aho, sy vavolombelona Aho, - teny marin’i Iaveh. -


Mandefasa iraka, hilaza amin’ny voababo rehetra, hanao hoe: «Izao no lazain’i Iaveh, ny amin’i Semeiàsa, Nehelamita: Noho i Semeiàsa naminany taminareo, nefa tsy nirahiko, ary lainga no nataony hitokianareo;


Ny hitan’ny mpaminaninao ho anao, dia fahitana mpamitaka sy foana: Tsy naneho ny helokao taminao izy, mba hamily tsy hihatra aminao ny fahababoana, fa ny nolazainy taminao ho fahitana, dia teny mandainga sy mandrebireby.