Dia nangataka taminy izy; dia nety ifonana i Iaveh ka nihaino ny fifonany, sy nampody azy ho any Jerosalema amin’ny fanjakany. Dia niaiky i Manase fa Andriamanitra i Iaveh.
Jeremia 29:12 - Baiboly Katolika Hiantso Ahy ianareo, dia ho avy sy hivavaka Amiko ianareo, ary hihaino anareo Aho. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary hiantso Ahy ianareo ka handeha sy hivavaka Amiko dia hihaino anareo Aho. DIEM PROTESTANTA Amin’izay raha miantso Ahy ianareo ka mivavaka amiko, dia hihaino anareo Aho. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Amin’izay raha miantso Ahy ianareo ka mivavaka amiko, dia hihaino anareo Aho. Baiboly Protestanta Malagasy Ary hiantso Ahy hianareo ka handeha sy hivavaka amiko, dia hihaino anareo Aho. Malagasy Bible Ary hiantso Ahy ianareo ka handeha sy hivavaka amiko, dia hihaino anareo Aho. La Bible en Malgache Ary hiantso Ahy ianareo ka handeha sy hivavaka Amiko dia hihaino anareo Aho. |
Dia nangataka taminy izy; dia nety ifonana i Iaveh ka nihaino ny fifonany, sy nampody azy ho any Jerosalema amin’ny fanjakany. Dia niaiky i Manase fa Andriamanitra i Iaveh.
raha miverina aminao amin’ny fony rehetra sy amin’ny fanahiny rehetra izy, any amin’ny tany nahababo azy, izay nitondrana azy babo, ka mivavaka aminao mitodika atỳ amin’ny tany nomenao ny razany, atỳ amin’ny tanàna nofidinao sy atỳ amin’ny trano nataoko ho an’ny Anaranao,
Efa nihaino ny fanirian’ny ory Ianao, ry Iaveh; mankahery ny fony sady manongilana ny sofinao mihaino,
Manatanteraka ny fanirian’izay matahotra Azy Izy, mihaino ny fitarainany sy mamonjy azy.
Antsoy amin’ny andron’ny fahoriana Aho, dia hamonjy anao; ka hanome voninahitra Ahy ianao.
Nitady Anao izy, nony azom-pahoriana, ry Iaveh ô, noborahiny ny fitarainany, raha nokapohinao izy.
Fa ianao, ry vahoaka monina ao Siôna, ao Jerosalema, tsy hitomany intsony ianao, fa raha vao mitaraina ianao dia hamindrany fo; raha vao mandre anao Izy dia hamaly anao.
Hiverina amin-dranomaso izy; ary eo amin’ny fifonany no hitondrako azy miverina; eny amin’ny rano velona, no hitarihako azy, amin’ny lalana marin-tampona tsy hahatafintohina azy; satria efa ray ho an’i Israely Aho, ary lahimatoako i Efraima.
Antsoy Aho dia hamaly anao, haneho zava-dehibe aminao, zava-tsy takatry ny saina izay tsy fantatrao.
Amin’izany andro izany, sy amin’izany fotoana izany, hiverina ny zanak’i Israely, dia izy sy ny zanak’i Jodà koa miaraka aminy. Hitomany eny am-pandehanana izy ireo, ka hitady an’i Iaveh Andriamaniny.
Ianareo nieren’ny sabatra, miaingà, fa aza mijanona! Mahatsiarova an’i Iaveh any an-tany lavitra, ary aoka ho velona ao am-ponareo ny fiheverana an’i Jerosalema!
Izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Amin’izao koa Aho no mba hety hotadiavin’ny taranak’i Israely mba hanaovako izany ho fanasoavana azy: hohamaroiko toy ny biby fiompy ny olona.
Efraima... Inona no mbola mba hataony any amin’ny sampy? Izaho no efa mamaly ny fangatahany sy mitsinjo azy; tahaka ny sipresa maitso Aho; Izaho no iavian’ny voanao.
Fa io ampahatelony io hampidiriko ao amin’ny afo, hodioviko toy ny fandio volafotsy, haofana toy ny fanofana volamena. Izy hiantso ny Anarako; ary Izaho hamaly azy. Izaho hanao hoe: «Oloko izy!» Ary izy hilaza hoe: «Andriamanitro i Iaveh!»