I Sedesiasa zanak’i Kanaàna nanao tandro-by ho azy, ka nilaza hoe: «Izao no lazain’i Iaveh: Ireto tandroka ireto no hanotoanao ny Sirianina, mandra-paharingany.»
Jeremia 28:10 - Baiboly Katolika Tamin’izay, nalain’i Hananiasa mpaminany ny jioga teny am-bozon’i Jeremia mpaminany, ka notapahiny. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia nesorin’i Hanania mpaminany ny zioga tamin’ny vozon’i Jeremia mpaminany ka notapahiny. DIEM PROTESTANTA Dia nesorin’i Hananià mpaminany ny zioga teo an-tsorok’i Jeremià mpaminany, ka nopotehiny. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia nesorin’i Hananià mpaminany ny zioga teo an-tsorok’i Jeremià mpaminany, ka nopotehiny. Baiboly Protestanta Malagasy Dia nesorin’i Hanania mpaminany ny zioga tamin’ny vozon’i Jeremia mpaminany ka notapahiny. Malagasy Bible Dia nesorin'i Hanania mpaminany ny zioga tamin'ny vozon'i Jeremia mpaminany ka notapahiny. La Bible en Malgache Dia nesorin’i Hanania mpaminany ny zioga tamin’ny vozon’i Jeremia mpaminany ka notapahiny. |
I Sedesiasa zanak’i Kanaàna nanao tandro-by ho azy, ka nilaza hoe: «Izao no lazain’i Iaveh: Ireto tandroka ireto no hanotoanao ny Sirianina, mandra-paharingany.»
Izao no nolazain’i Iaveh tamiko: Manaova fatorana sy jioga ianao, ka ataovy eo ambony vozonao.
«Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika, Andriamanitr’i Israely: Efa notapahiko ny jiogan’ny mpanjakan’i Babilôna.
Ary hampodiko amin’ity fitoerana ity i Jekôniasa zanak’i Jôakima, mpanjakan’i Jodà, mbamin’ny babo rehetra amin’i Jodà lasa tany Babilôna, - teny marin’i Iaveh, - fa hotapahiko ny jiogan’ny mpanjakan’i Babilôna.»
Ary aiza moa ireo mpaminaninareo naminany taminareo, nanao hoe: Tsy ho tonga hamely anareo na hamely ity tany ity ny mpanjakan’i Babilôna;
Ao Tafnesa ho maizina ny andro, raha avy izay hanapahako ao ny jiogan’i Ejipta, sy hitsaharan’ny fiavonavonan’ny heriny; ho voasaron-drahona izy, ary ho lasan-ko babo ny zanany vavy.
Mafy loatra ny teninareo mamely Ahy, hoy i Iaveh. Ary hoy ianareo: Inona no resakay momba Anao? Izao no nolazainareo: