Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Jeremia 27:16 - Baiboly Katolika

Ary ny mpisorona mbamin’io vahoaka rehetra io dia nitenenako toy izao: Izao no tenin’i Iaveh: Aza mihaino ny tenin’ireo mpaminaninareo, izay maminany aminareo manao hoe: Indro fa vetivety foana, dia hampodina avy any Babilôna ny fanaky ny tranon’i Iaveh, fa lainga no vinanìny aminareo.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ary ny mpisorona sy ity firenena rehetra ity dia efa nilazako hoe: Izao no lazain’NY TOMPO: Aza mihaino ny tenin’ny mpaminaninareo izay maminany aminareo hoe: Efa hampodina haingana avy any Babilona izao ny fanaky ny tranon’NY TOMPO! Fa lainga no ambarany aminareo ho faminaniana.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Farany dia ireo mpisorona sy ny vahoaka rehetra teo no nitenenan’i Jeremià hoe: «Izao no lazain’ny TOMPO: ‹Aza mihaino ny tenin’ireo mpaminany izay milaza aminareo fa haverina haingana avy any Babilôna ny fanaky ny tranon’ny TOMPO, satria lainga izay nambarany taminareo.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Farany dia ireo mpisorona sy ny vahoaka rehetra teo no nitenenan’i Jeremià hoe: «Izao no lazain’ny TOMPO: ‹Aza mihaino ny tenin’ireo mpaminany izay milaza aminareo fa haverina haingana avy any Babilôna ny fanaky ny tranon’ny TOMPO, satria lainga izay nambarany taminareo.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary ny mpisorona sy ity firenena rehetra ity dia efa nilazako hoe: Izao no lazain’i Jehovah: Aza mihaino ny tenin’ny mpaminaninareo, izay maminany aminareo hoe: Indro, ny fanaky ny tranon’i Jehovah hampodina faingana avy any Babylona; fa lainga no vinaniny aminareo.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary ny mpisorona sy ity firenena rehetra ity dia efa nilazako hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Aza mihaino ny tenin'ny mpaminaninareo. izay maminany aminareo hoe: Indro, ny fanaky ny tranon'i Jehovah hampodina faingana avy any Babylona; fa lainga no vinaniny aminareo.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ary ny mpisorona sy ity firenena rehetra ity dia efa nilazako hoe: Izao no lazain’NY TOMPO: Aza mihaino ny tenin’ny mpaminaninareo izay maminany aminareo hoe: Efa hampodina haingana avy any Babilona izao ny fanaky ny tranon’NY TOMPO! Fa lainga no ambarany aminareo ho faminaniana.

Jereo ny toko



Jeremia 27:16
7 Rohy Ifampitohizana  

Nongoahina tao avokoa ny rakitra rehetra tao an-tranon’i Iaveh sy tao an-tranon’ny mpanjaka, ary novakina daholo ny fanaka volamena nataon’i Salômôna, mpanjakan’i Israely, tao an-tranon’i Iaveh, araka izay efa voalazan’i Iaveh rahateo.


Fa ireo mitarika ity vahoaka ity mamily azy, ary izay voatarika dia very.


Fa lainga no vinanìn’ireo aminareo, sy handroahako anareo ka haharingana anareo.


Aza mihaino ny tenin’ny mpaminaninareo, izay manao aminareo hoe: Tsy hampanekena ny mpanjakan’i Babilôna ianareo; fa lainga no vinanìny aminareo.


Roa taona sisa, dia haveriko amin’ity fitoerana ity ny fanaka rehetra tao an-tranon’i Iaveh, nalain’i Nabokodonozora, mpanjakan’i Babilôna, avy amin’ity fitoerana ity, ka nentiny ho any Babilôna.