fa fony i Jezabela nandringana ny mpaminanin’i Iaveh, dia naka mpaminany zato izy, nafeniny, nataony dimampolo avy, tany anaty zohy, novelominy mofo sy rano, tany.
Jeremia 26:24 - Baiboly Katolika Fa ny tanan’i Ahikama zanak’i Safàna kosa dia nanohana an’i Jeremia. Ka tsy natolotry ny vahoaka hovonoin-ko faty izy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Fa i Ahikama, zanak’i Safana, dia niaro an’i Jeremia mba tsy hanolorana azy hovonoina teo an-tanan’ny vahoaka. DIEM PROTESTANTA Fa i Jeremià kosa narovan’i Ahikama zanakalahin’i Safàna ka tsy nisy sahy nanolotra azy ho eo an-tanan’ny vahoaka mba hovonoina ho faty. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Fa i Jeremià kosa narovan’i Ahikama zanakalahin’i Safàna ka tsy nisy sahy nanolotra azy ho eo an-tanan’ny vahoaka mba hovonoina ho faty. Baiboly Protestanta Malagasy Nefa ny tànan’i Ahikama, zanak’i Safana, dia nomba an’i Jeremia mba tsy hanolorana azy ho eo an-tànan’ny vahoaka hovonoiny. Malagasy Bible Nefa ny tànan'i Ahikama, zanak'i Safana, dia nomba an'i Jeremia mba tsy hanolorana azy ho eo an-tànan'ny vahoaka hovonoiny. La Bible en Malgache Fa i Ahikama, zanak’i Safana, dia niaro an’i Jeremia mba tsy hanolorana azy hovonoina teo an-tanan’ny vahoaka. |
fa fony i Jezabela nandringana ny mpaminanin’i Iaveh, dia naka mpaminany zato izy, nafeniny, nataony dimampolo avy, tany anaty zohy, novelominy mofo sy rano, tany.
Ny amin’ny vahoaka tafajanona tany amin’ny tanin’i Jodà, navelan’i Nabokodonozora mpanjakan’i Babilôna kosa, dia i Godoliasa zanak’i Ahikama zanak’i Safàna no notendreny ho mpanapaka azy.
ka nanome didy an’i Helkiasa, i Ahikama zanak’i Safàna, i Abdôna zanak’i Mikà, i Safàna mpanoratra, ary i Asaà mpanompon’ny mpanjaka hoe:
taratasy nampitondrainy tamin’ny alalan’i Elàsa, zanak’i Safàna, sy i Gamariasa, zanak’i Helkiasa, izay nirahin’i Sedesiasa mpanjakan’i Jodà, ho any Babilôna, amin’i Nabokodonozora, mpanjakan’i Babilôna, ka hoy ny taratasy hoe:
Ary novakin’i Baròka tamin’izay, tao amin’ny boky ny tenin’i Iaveh, tao an-tranon’i Iaveh, amin’ny efitranon’i Gamariasa, zanak’i Safàna, mpanoratra, teo amin’ny kianja ambony, anoloan’ny vavahady Vaovao amin’ny tranon’i Iaveh, mba ho ren’ny vahoaka rehetra.
Nandre ny tenin’i Iaveh rehetra, tao amin’ny boky, i Mikea zanak’i Gamariasa zanak’i Safàna;
ka dia nidina nankany an-tranon’ny mpanjaka, tao amin’ny efitranon’ny mpanoratra; ka indro fa nipetraka tao avokoa ny lehibe, dia i Elisama mpanoratra, i Dalaiasa zanak’i Semeiàsa, i Elinatana zanak’i Akobôra, i Gamariasa zanak’i Safàna, i Sedekiasa zanak’i Hananiasa, mbamin’ny lehibe rehetra.
Dia hoy ireto lehibe tamin’i Baròka: «Mandehana miery ianao sy i Jeremia, ka aoka tsy hisy olona hahalala izay misy anareo.»
Raha efa izany dia nodidian’ny mpanjaka i Jeremiely zanak’andriana, sy i Zaraiasa zanak’i Ezriely, ary i Selemiasa zanak’Abdeely, hisambotra an’i Baròka mpanoratra, sy i Jeremia mpaminany, nefa nafenin’i Iaveh izy ireo.
naniraka haka an’i Jeremia, tao an-kianjan’ny fiambenana; dia napetrany tamin’i Godoliasa zanak’i Ahikama zanak’i Safàna izy, hoentiny any an-trano, ka dia nitoetra teo amin’ny vahoaka izy.
Ary nisy 70 lahy, amin’ny loholon’ny taranak’i Israely, ka anisan’ireo i Jezoniasa zanak’i Safàna, ary nitsangana teo anoloan’izany sary izany ireo; samy nanana ny fanembohany teny an-tanany avy, ka nisondrotra avy eo ny hanitry ny emboka nijofo.
Vao mainka nitombo anefa ny fifandirana. Efa nataon’ny komandy hotetehin’ny olona teo mihitsy i Paoly, ka nasainy nidina ny miaramila haka azy an-kery teo afovoan’ny vahoaka, sy hitondra azy ho any anaty rova.
nefa tsy navelan’ny kapiteny hanao izany izy ireo noho ny fitiavany hamonjy an’i Paoly. Izay nahay nilomano aloha no nasainy nirotsaka hiakatra eny an-tanety,
Kanjo novonjen’ny tany kosa Ravehivavy, fa nivava ny tany, dia nitelina ny ony nalefan’ilay Dragona tamin’ny vavany.