Naniraka mpaminany tany amin’izy ireo i Iaveh hampiverina azy ireo aminy indray, ka nitsangana ho vavolombelona nanohitra azy ireo ireny, nefa tsy nohenoiny.
Jeremia 25:8 - Baiboly Katolika Noho izany, izao no lazain’i Iavehn’ny tafika: Noho ianareo tsy nihaino ny teniko, Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Koa izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao: Noho ny tsy nihainoanareo ny teniko DIEM PROTESTANTA Koa izao no lazain’ny TOMPOn’izao rehetra izao: «Satria tsy nihaino ny teniko ianareo, Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Koa izao no lazain’ny TOMPOn’izao rehetra izao: «Satria tsy nihaino ny teniko ianareo, Baiboly Protestanta Malagasy Koa izao no lazain’i Jehovah, Tompon’ny maro: Noho ny tsy nihainoanareo ny teniko, Malagasy Bible Koa izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Noho ny tsy nihainoanareo ny teniko, La Bible en Malgache Koa izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao: Noho ny tsy nihainoanareo ny teniko |
Naniraka mpaminany tany amin’izy ireo i Iaveh hampiverina azy ireo aminy indray, ka nitsangana ho vavolombelona nanohitra azy ireo ireny, nefa tsy nohenoiny.
Iza no nanolotra an’i Jakôba horobaina, sy i Israely hobaboina? Moa tsy i Iaveh va, izay nanotantsika? Tsy nety nanaraka ny lalany izy ireo; ary ny lalàny tsy nohenoiny?
«Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika, Andriamanitr’i Israely: Indro hataoko mihatra amin’ity tanàna ity, sy amin’ny tanàna rehetra momba azy, ny loza rehetra nolazaiko hamelezana azy, noho izy ireo nanamafy ny hatony tsy hihainoany ny teniko.»
Efa niteny taminao Aho, fony ianao mbola niadana nefa hoy ianao: Tsy hihaino aho! Fanaonao hatry ny fony mbola tanora izany: tsy nihaino ny feoko ianao!
Tsy nihaino ahy anefa ianareo, - teny marin’i Iaveh - ho fampahatezerana Ahy tamin’ny asan-tananareo, ary ho loza ho anareo.
dia indro ampanalaiko ny foko rehetra any avaratra, - teny marin’i Iaveh, - hoentiko amin’i Nabokodonozora mpanjakan’i Babilôna, mpanompoko; ary hataoko tonga izy ireo hamely an’ity tany ity mbamin’ny mponina eo aminy sy ny firenena rehetra amin’ny manodidina, ka hataoko anatema izy, hataoko tany lao, zavatra fandatsa, ary rava mandrakizay.
satria izy ireo tsy nihaino ny teniko, - teny marin’i Iaveh, - nefa naniraka ny mpaminany mpanompoko tamin’izy ireo Aho, naniraka azy hatramin’ny vao maraina, nefa tsy nohenoinareo, - teny marin’i Iaveh. -
Aza manaraka ny razanareo, izay nitorian’ny mpaminany taloha hoe: Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika: Miverena ianareo, mialà amin’ny lalan-dratsinareo, sy amin’ny asa ratsinareo! nefa tsy nihaino sy tsy nasiany raharaha akory Aho, - teny marin’i Iaveh. -