Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Jeremia 22:1 - Baiboly Katolika

Izao no lazain’i Iaveh: Midìna ho any an-tranon’ny mpanjakan’i Jodà,

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Izao no lazain’NY TOMPO: Midìna any amin’ny tranon’ny mpanjakan’ny Joda ka lazao any izao teny izao hoe:

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Izao no voalazan’ny TOMPO tamin’i Jeremià: –Midîna any an-dapan’ny mpanjakan’i Joda ianao ka ambarao any ity hafatra ity

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Izao no voalazan’ny TOMPO tamin’i Jeremià: –Midîna any an-dapan’ny mpanjakan’i Joda ianao ka ambarao any ity hafatra ity

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

IZAO no lazain’i Jehovah: Midìna any amin’ny tranon’ny mpanjakan’ny Joda, ka lazao any izao teny izao hoe:

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Izao no lazain'i Jehovah: Midina any amin'ny tranon'ny mpanjakan'ny Joda, ka lazao any izao teny izao hoe:

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Izao no lazain’NY TOMPO: Midìna any amin’ny tranon’ny mpanjakan’ny Joda ka lazao any izao teny izao hoe:

Jereo ny toko



Jeremia 22:1
15 Rohy Ifampitohizana  

Nirahin’i Iaveh ho any amin’i Davida i Natàna, ka tonga tany aminy izy, dia nanao taminy hoe: «Nisy olona roa lahy, tao amin’ity tanàna anankiray; ny iray mpanan-karena ary ny iray mahantra.


Niteny tamin’i Manase sy ny vahoakany i Iaveh; nefa tsy nasian’izy ireo raharaha akory izany.


Ary lazao amin’ny taranaky ny mpanjakan’i Jodà hoe: Mihainoa ny tenin’i Iaveh ianareo.


Hanasazy anareo araka ny vokatry ny asanareo Aho, - teny marin’i Iaveh, - handrehitra afo amin’ny alany Aho, ka handevona ny manodidina azy rehetra izany.


ka lazao eny izao teny izao, ataovy hoe: «Henoy ny tenin’i Iaveh, ry mpanjakan’i Jodà, izay mipetraka eo amin’ny seza fiandrianan’i Davida, dia ianao sy ny mpanomponao mbamin’ny vahoakanao, izay miditra amin’ireto vavahady ireto.»


Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika, Andriamanitr’i Israely: Mandehana ianao milazà amin’i Sedesiasa, mpanjakan’i Jodà, ka ataovy hoe: Izao no lazain’i Iaveh: Indro hatolotro ny mpanjakan’i Babilôna ity tanàna ity ka hodorany.


Mandrenesa izao, ry mpisorona; mihainoa tsara, ry taranak’i Israely; manongilàna sofina, ry taranaky ny mpanjaka; fa ianareo no hamoahana ny teny fitsarana, satria ianareo no efa fandrika tao Masfà sy fandrika harato voavelatra ao ambonin’i Tabôra.


Fa aza maminany atỳ Betela intsony, satria fitoera-masin’ny mpanjaka ny atỳ, ary tranom-panjakana.»


Satria i Joany nanao taminy hoe: «Tsy mahazo manam-bady ny vadin-drahalahinao ianao.»