Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 22:1 - DIEM PROTESTANTA

1 Izao no voalazan’ny TOMPO tamin’i Jeremià: –Midîna any an-dapan’ny mpanjakan’i Joda ianao ka ambarao any ity hafatra ity

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

1 Izao no lazain’NY TOMPO: Midìna any amin’ny tranon’ny mpanjakan’ny Joda ka lazao any izao teny izao hoe:

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

1 Izao no voalazan’ny TOMPO tamin’i Jeremià: –Midîna any an-dapan’ny mpanjakan’i Joda ianao ka ambarao any ity hafatra ity

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

1 Izao no lazain’i Iaveh: Midìna ho any an-tranon’ny mpanjakan’i Jodà,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

1 IZAO no lazain’i Jehovah: Midìna any amin’ny tranon’ny mpanjakan’ny Joda, ka lazao any izao teny izao hoe:

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

1 Izao no lazain'i Jehovah: Midina any amin'ny tranon'ny mpanjakan'ny Joda, ka lazao any izao teny izao hoe:

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

1 Izao no lazain’NY TOMPO: Midìna any amin’ny tranon’ny mpanjakan’ny Joda ka lazao any izao teny izao hoe:

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 22:1
15 Rohy Ifampitohizana  

Naniraka an’i Natàna mpaminany ho any amin’i Davida ny TOMPO. Rehefa tonga tany aminy izy, dia nanao taminy hoe: –Nisy lehilahy roa tao amin’ny tanàna iray, ny anankiray mpanankarena ary ny anankiray mahantra.


Niteny tamin’i Manase sy ny vahoakany ny TOMPO, nefa tsy noraharahainy akory.


Fanambaràna ho an’ny fianakavian’ny mpanjakan’i Joda. Mihainoa ny tenin’ny TOMPO,


Izaho no hirotsaka hamely anareo, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO, araka ireo vokatry ny ratsy nataonareo. Dia hodorako amin’ny afo ny andry sedera marobe eo aminareo; ka ny zavatra rehetra manodidina ireo andry ireo dia ho levon’izany afo izany.


ary lazao hoe: «Mihainoa ny tenin’ny TOMPO ianao, ry mpanjakan’i Joda izay mipetraka eo amin’ny sezafiandrianan’i Davida, dia ianao sy ny manamboninahitrao ary ny vahoakanao izay miditra amin’ireto vavahadin’ny lapa ireto.»


«Izaho TOMPO Andriamanitr’i Israely no mandidy anao hankany amin’i Tsedekià mpanjakan’i Joda mba hilaza izao hafatro izao: Hatolotro eo an-tanan’i Nebokadnetsara mpanjakan’i Babilôna ity tanàna ity mba hodorany amin’ny afo.


Henoy izao, ry mpisorona sy ianareo mpitondra israelita, ary atongilano ny sofinareo, ry fianakavian’ny mpanjaka: Hihatra aminareo izao ny fitsarana, fa tonga fandrika tao Mitsepà ianareo sy harato voavelatra tao Tabôra,


Fa aza maminany eto Betela intsony, fa toeram-pivavahana najoron’ny mpanjaka sady lapan’andriamanjaka no eto.»


Fa hoy i Jôhany tamin’i Herôda: –Tsy azonao atao ny maka ny vadin’ny rahalahinao.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra