Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 21:14 - DIEM PROTESTANTA

14 Izaho no hirotsaka hamely anareo, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO, araka ireo vokatry ny ratsy nataonareo. Dia hodorako amin’ny afo ny andry sedera marobe eo aminareo; ka ny zavatra rehetra manodidina ireo andry ireo dia ho levon’izany afo izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

14 Fa hamaly anareo araka ny vokatry ny asanareo Aho, hoy NY TOMPO, ary handrehitra afo ao amin’ny alany ka handevona ny manodidina azy rehetra izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

14 Izaho no hirotsaka hamely anareo, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO, araka ireo vokatry ny ratsy nataonareo. Dia hodorako amin’ny afo ny andry sedera marobe eo aminareo; ka ny zavatra rehetra manodidina ireo andry ireo dia ho levon’izany afo izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

14 Hanasazy anareo araka ny vokatry ny asanareo Aho, - teny marin’i Iaveh, - handrehitra afo amin’ny alany Aho, ka handevona ny manodidina azy rehetra izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

14 Fa hamaly anareo araka ny vokatry ny asanareo Aho, hoy Jehovah, ary handrehitra afo ao amin’ny alany, ka handevona ny manodidina azy rehetra izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

14 Fa hamaly anareo araka ny vokatry ny asanareo Aho, hoy Jehovah, ary handrehitra afo ao amin'ny alany, ka handevona ny manodidina azy rehetra izany.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

14 Fa hamaly anareo araka ny vokatry ny asanareo Aho, hoy NY TOMPO, ary handrehitra afo ao amin’ny alany ka handevona ny manodidina azy rehetra izany.

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 21:14
29 Rohy Ifampitohizana  

Nodoran’ny Babilônianina koa ny tranon’Andriamanitra, ary noravany ny mandan’i Jerosalema; notselarany afo ny lapa rehetra ary nosimbany ny fanaka sarobidy isan-karazany tao an-tanàna.


Ny saim-pantatrareo sy ny vokatry ny fitondrantenanareo no hampizihi-kibo ka hankandoa anareo.


Ny tenin’ny olona no ahazoany fahombiazana sy andraisany ny vokatr’izay asan’ny tanany.


Kanefa rehefa vitan’ny Tompo avokoa ny asany ao an-tendrombohitra Tsiôna sy ao Jerosalema, dia hofaiziny ny mpanjakan’i Asiria noho ny fony feno avonavona sy ny fijeriny miandranandrana.


Noho izany, ny Tompo ANDRIAMANITR’izao rehetra izao dia tsy hampamokatra intsony ny tany lonaka ao Asiria. Ary toy ny fihanaky ny afo rehefa misy hain-trano no hiparitahan’ny afo mihanaka eo ambanin’ny famirapiratan’io firenena io.


Amin’izany andro izany, dia hirotsaka an-tsehatra any ambony any ny TOMPO ka hamely ny andian’ireo planeta aman-kintana; ary hirotsaka an-tsehatra etỳ an-tany koa Izy ka hamely ny mpanjakan’ny tany.


Tamin’ny alalan’ny mpanomponao no nanevatevanao Ahy Tompo. Hoy ianao hoe: ‹Izaho Saneheriba dia ny kalesiko marobe no niakarako teny an-tampon-tendrombohitra hatreo afovoan-tanin’i Libano mba hikapa ny sedera mijoalajoala sy ny kipreso voafantina eo aminy. Hiakarako ao ny tendrombohitra faran’izay avo sy ny tahirin’alany matevina indrindra.


Izy io dia nataoko hoe «Hazo ôliva maitso, misy voany mahafinaritra». Kanjo ao anatin’ny kotaba lehibe no andrehetako afo handoro ny raviny; ary dia hotapatapahina ny rantsany.


Eny, izao no lazain’ny TOMPOn’izao rehetra izao ny amin’ny mponin’i Hanatôta: «Hirotsaka an-tsehatra hamely azy Aho: ho fatin-tsabatra ny tovolahiny, ary ho faty mosary ny zanany lahy sy vavy.


–Izaho TOMPO kosa dia mahita ny ao am-po sy mamantatra ny ao an’eritreritra. Koa araka ny fitondrantenany sy ny vokatry ny asany avy no hamaliako ny olona.


Fa raha tsy mihaino Ahy kosa ianareo ka tsy manokana ny andro sabata ho Ahy fa mbola mitondra entana mandalo amin’ireo vavahadin’i Jerosalema ireo amin’ny andro sabata ihany, dia handrehetako afo ao anaty tanàna; ka handevona ireo tranony tsara tarehy izany afo izany sady tsy ho faty.»


Izao no voalazan’ny TOMPO tamin’i Jeremià: –Midîna any an-dapan’ny mpanjakan’i Joda ianao ka ambarao any ity hafatra ity


Hanetsika mpandrava hamely anao Aho, dia mpandrava izay samy ary fitaovana. Hokapainy ny sederanao voafantina ka hatsipiny any anaty afo.


Manana fikasana lehibe Ianao ary manan-kery hanatanterahana azy. Arakao maso avokoa izay izoran’ny olombelona mba hamalianao azy araka ny fitondrantenany sy ny vokatry ny asany.


Kapain’ireo ny alany, na dia matevina aza, hoy ny teny hentitry ny TOMPO. Fa marobe noho ny andiam-balala izy ka tsy tambo isaina.


Mivembena ary mianjera ilay mpiavonavona, fa tsy misy manarina azy. Andrehetako afo amin’ireo tanànany ka handevona izay rehetra manodidina azy izany.»


Izy no nandoro ny tranon’ny TOMPO sy ny lapan’ny mpanjaka ary ireo trano tao an-tanàna, indrindra ny an’ny olona ambony rehetra.


Mihainoa, ry mponina rehetra eran-tany: Indro hahatonga loza ho an’io firenena io Aho, dia loza vokatry ny hevi-dratsiny ihany, satria tsy niraharaha ny teniko izy sady naniratsira ny fampianarako.


Efa sempotra dia sempotra ny tafoforana, ka tokony ho levona ny firaka noho ny hafanana; nefa very maina ny nandrendrehana ny volafotsy fa tsy mety miala ny taindrendrika.


na ny Ejiptianina, na ny Jodeanina, na ny Edômita, na ny Hamônita, na ny Môabita na ireo mponina any an-taniefitra izay miharatra fihirifana. Satria izy rehetra ireo, eny na dia ny Israelita koa aza, dia tsy voafora fo ho an’ny Tompo.


Tamim-pahatezerana mirehitra no nanapotehany izay rehetra nampirehareha an’i Israely. Nihemotra tsy niditra an-tsehatra Izy teo anatrehan’ny fahavalo. Nandrehitra afom-pahatezerana Izy hamelezana ireo taranak’i Jakôba, ka toa afo miredareda nandevona manodidina.


Asaivo mihaino ny tenin’ny TOMPO izy, satria izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY aminy: «Indro Aho handrehitra afo izay handevona ny hazonao rehetra na ireo mirobona maitso na ireo efa maina. Tsy hisy afaka hamono ny lelafo midedadeda fa hihanaka avy any atsimo ka hatrany avaratra izany, ka ho may avokoa ny tarehin’ny olona rehetra.


Ary ho tonga lao ny tany sisa noho ny asa ratsy vitan’ireo mponina ao aminy.


Vohay ny varavaranao, ry Libano ô! ary aoka ny afo handevona ny sederanao!


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra