Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 21:13 - DIEM PROTESTANTA

13 Indro avy hamely anareo Aho ry mponina erỳ ambanimbany, eo amin’ny vatolampy milembalemba, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO; hamely anareo Aho, dia ianareo izay mihambo fa tsy misy fahavalo afa-midina hatreny aminareo na hiditra amin’ny fisitrihanareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

13 Indro, hohatoniko ianao, ry mponina an-dohasaha, dia eo amin’ny vatolampy amin’ny tany lemaka, hoy NY TOMPO, dia ianareo izay milaza hoe: Iza moa no sahy hidina hamely anay? Ary iza no sahy hiditra atỳ amin’ny fonenanay?

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

13 Indro avy hamely anareo Aho ry mponina erỳ ambanimbany, eo amin’ny vatolampy milembalemba, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO; hamely anareo Aho, dia ianareo izay mihambo fa tsy misy fahavalo afa-midina hatreny aminareo na hiditra amin’ny fisitrihanareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

13 Ary izao kosa no momba anao, ry mponina ao an-dohasaha, ry vatolampin’ny tany lemaka, - teny marin’i Iaveh, - ianao izay manao hoe: Zovy moa no hidina atỳ aminay, sy hiditra atỳ amin’ny fierenay?

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

13 Indro, hohatoniko hianao, ry mponina an-dohasaha, dia eo amin’ny vatolampy amin’ny tany lemaka, hoy Jehovah, dia hianareo izay manao hoe: Iza moa no sahy hidina hamely anay? Ary iza no sahy hiditra ato amin’ny fonenanay?

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

13 Indro, hohatoniko ianao, ry mponina an-dohasaha, dia eo amin'ny vatolampy amin'ny tany lemaka, hoy Jehovah, dia ianareo izay manao hoe: Iza moa no sahy hidina hamely anay? Ary iza no sahy hiditra ato amin'ny fonenanay?

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

13 Indro, hohatoniko ianao, ry mponina an-dohasaha, dia eo amin’ny vatolampy amin’ny tany lemaka, hoy NY TOMPO, dia ianareo izay milaza hoe: Iza moa no sahy hidina hamely anay? Ary iza no sahy hiditra atỳ amin’ny fonenanay?

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 21:13
21 Rohy Ifampitohizana  

Tendrombohitra no manodidina an’i Jerosalema; ny TOMPO koa manodidina ny vahoakany, hatrizao ka ho mandrakizay


Niala tao Sokôta ny Israelita, ka mandeha mitohy tao Etama, any an-tsisin’ny taniefitra.


Mandritra io fety io no hitantaranareo amin’ny zanakareo hoe: «Izao no ataonay dia noho izay nataon’ny TOMPO taminay fony izahay niala tany Ejipta.»


Hafatra momba ny lohasahan’ny fahitana. Fa inona ity mahazo anareo no miakatra eny an-tampon-trano, ry mponin’i Jerosalema?


ary eny antampon-tendrombohitra any an-tsaha. Hatolotro horobaina avokoa ny fanananao sy ny haren-tsarobidinao, mbamin’ireo toeran-tsampinao koa aza ho valin’ny ota nataonao tao amin’ny faritaninao manontolo.


Izaho mihitsy no hiady aminareo, ka hampiseho aminareo ny heriko sy ny fahaizako ao anatin’ny fahatezerako mirehitra mahatsiravina.


Mampangovitra ny olona ianao sady mihevi-tena ho ambony kanefa mamita-tena. Ary ianao izay mipetraka eny an-tsefatsefaky ny harambato ka mamikitra eny antampon-kavoana, na dia mametraka ny akaninao ho avo toy ny an’ny voromahery aza ianao, dia havarimbariko avy eny.» Izany no teny hentitry ny TOMPO.


Indro Aho hifanandrina aminao ry Babilôna mpiavonavona, Izaho Tompo ANDRIAMANITR’izao rehetra izao no manao izany teny hentitra izany. Fa tonga ny andronao izao, dia ny fotoana hamaliako anao.


Indro mamely anao Aho, ry Babilôna mpampiavosa fandravana, ianao ilay nandrava izay rehetra tamin’ny tany, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO. Maninji-tanana hamely anao Aho, ka manjera anao avy eny ambony harambato. Hataoko vainafo miavosa ianao,


Aza miantehitra amin’ny teny fitaka hoe: ‹Eto no tempolin’ny TOMPO, eto no tempolin’ny TOMPO, eto tokoa no tempolin’ny TOMPO!›


Tsy nanampo na ny mpanjakan’ny tany na ny mponina rehetra amin’izao tontolo izao fa hiditra ao an-tanànan’i Jerosalema ny fahavalony ama-mpandrafy azy.


Noho izany, izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: ‹Satria nilaza teny manodoka sy fahitana mamitaka ianareo, dia ho avy hamely anareo Aho. Teny hentitra avy amiko Tompo ANDRIANANAHARY izany.›


Asaivo mihaino ny tenin’ny TOMPO izy, satria izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY aminy: «Indro Aho handrehitra afo izay handevona ny hazonao rehetra na ireo mirobona maitso na ireo efa maina. Tsy hisy afaka hamono ny lelafo midedadeda fa hihanaka avy any atsimo ka hatrany avaratra izany, ka ho may avokoa ny tarehin’ny olona rehetra.


Izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: Mampitandrina anareo mpitondra Aho fa hisampotina hamely anareo; ka hampamoahiko ny amin’ny ondriko ianareo ary hoesoriko tsy hiandry azy intsony; tsy ianareo mpikarakara tena intsony no hikarakara azy. Hoesoriko eo am-bavanareo ny andianondriko ka tsy ho azonareo hatao sakafo intsony.


Koa hamafisiko indray fa Izaho Tompo ANDRIANANAHARY mihitsy no hamely anareo, ry mponin’i Jerosalema. Hampihariko eo afovoan-tanàna ho hitan’ny hafa firenena ny didim-pitsarako.


Ny mpitondra azy mitsara mba hahazoana tsolotra; ny mpisorony mampianatra ny lalàna mba hahazoana karama; ary ny mpaminaniny manambara ny ho avy mba hahazoana vola. Kanefa dia mbola miankina amin’ny TOMPO ihany ireo ka miteny hoe: «Tsy eto anivontsika ve ny TOMPO? Tsia, tsy hisy loza hanjo antsika.»


Novonoin’ny liona sy noviravirainy ny hazany ho an’ny liom-bavy sy ny zanany. Ny lavaka fonenany nofenoiny remby, dia ny haza rehetra voaviravirany.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra