Loza ho an’izay miady hevitra amin’ilay namorona azy, nefa tavim-bilany isan’ny tavim-bilany tany ihany izy. Ny tanimanga va hilaza amin’izay namolavola azy hoe: «Inona ity ataonao?» Ny asanao va hanao hoe: «Tsy manan-tanana izy?»
Jeremia 18:6 - Baiboly Katolika «Moa aho tsy mahazo manao aminareo, toraky ny nataon’io mpanefy tanimanga io, ry taranak’i Israely? - teny marin’i Iaveh. - Eny, toy ny tanimanga eo an-tanan’ny mpanefy, ianareo eo an-tanako, ry taranak’i Israely. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Moa tsy afaka manao aminareo toy ny ataon’ity mpanefy tanimanga ity va Aho, ry taranak’Israely? Hoy NY TOMPO. Indro, toy ny tanimanga eo an-tanan’ny mpanefy azy, dia toy izany ianareo eo an-tanako, ry taranak’Israely. DIEM PROTESTANTA «Moa tsy afaka manao aminareo toy izay ataon’ity mpanefy tanimanga ity va Aho, ry olon’i Israely, hoy ny fanontaniana hentitra avy amiko TOMPO? Indro eo an-tanako ianareo, tahaka ny tanimanga eo an-tanan’ny mpanefy azy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara «Moa tsy afaka manao aminareo toy izay ataon’ity mpanefy tanimanga ity va Aho, ry olon’i Israely, hoy ny fanontaniana hentitra avy amiko TOMPO? Indro eo an-tanako ianareo, tahaka ny tanimanga eo an-tanan’ny mpanefy azy. Baiboly Protestanta Malagasy Moa tsy mahazo manao aminareo toy ny ataon’ity mpanefy tanimanga ity va Aho, ry taranak’i Isiraely? hoy Jehovah. Indro, toy ny ranimanga eo an-tànan’ny mpanefy azy, Dia toy izany hianareo eo an-tànako, ry taranak’Isiraely. Malagasy Bible Moa tsy mahazo manao aminareo toy ny ataon'ity mpanefy tanimanga ity va Aho, ry taranak'i Isiraely? hoy Jehovah. Indro, toy ny tanimanga eo an-tanan'ny mpanefy azy, dia toy izany ianareo eo an-tanako, ry taranak'Isiraely. La Bible en Malgache Moa tsy afaka manao aminareo toy ny ataon’ity mpanefy tanimanga ity va Aho, ry taranak’Israely? Hoy NY TOMPO. Indro, toy ny tanimanga eo an-tanan’ny mpanefy azy, dia toy izany ianareo eo an-tanako, ry taranak’Israely. |
Loza ho an’izay miady hevitra amin’ilay namorona azy, nefa tavim-bilany isan’ny tavim-bilany tany ihany izy. Ny tanimanga va hilaza amin’izay namolavola azy hoe: «Inona ity ataonao?» Ny asanao va hanao hoe: «Tsy manan-tanana izy?»
Aza tafahoatra amin’ny hatezeranao Ianao, ry Iaveh, ary aza dia tsarovanao mandrakizay ny helokay. Jereo ange fa vahoakanao avokoa izahay rehetra!
Ary tsy vanona kosa ny vilany nataony, araka izay mety hahazo ny tanimanga eny an-tanan’ny mpanefy, ka nanao vilany hafa, araka izay tiany hatao indray, ny mpanefy tanimanga.
Tsy mahazo manao izay tiako amin’izay fananako va aho, sa ratsy ny masonao satria tsara aho?