Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 18:7 - Baiboly Katolika

7 Matetika Aho miteny ny amin’ny firenena iray, ny amin’ny fanjakana iray hoe: hongotana, hazera, horavana.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

7 Mbetika Aho dia milaza ny amin’ny firenena sy fanjakana iray fa hongotako sy hazerako ary horavako izy;

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

7 Indraindray dia milaza ny hanongotra sy hanjera ary handrava firenena iray na fanjakana iray Aho.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

7 Indraindray dia milaza ny hanongotra sy hanjera ary handrava firenena iray na fanjakana iray Aho.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

7 Vetivety Aho dia milaza firenena sy fanjakana Hongotako sy hazerako ary horavako;

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

7 Vetivety Aho dia milaza firenena sy fanjakana hongotako sy hazerako ary horavako;

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

7 Mbetika Aho dia milaza ny amin’ny firenena sy fanjakana iray fa hongotako sy hazerako ary horavako izy;

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 18:7
13 Rohy Ifampitohizana  

Ka nanenina i Iaveh tamin’ny nahariany ny olombelona tambonin’ny tany; ary nalahelo tao am-pony Izy,


ary indro aho anio manendry anao, ho eo amin’ny firenena amam-panjakana, hanongotra sy hanjera, hamery sy handrava, hamboly sy hanorina.»


Angamba hihaino ihany izy, ka samy hiverina hiala amin’ny lalan-dratsiny avy; dia hanenenako ny loza nokasaiko hamelezana azy, noho ny haratsian’ny ataony.


no hiambenako azy kosa, haorina sy hambolena, - teny marin’i Iaveh. -


Raha manohy ny fonenana amin’ity tany ity ianareo, dia haoriko fa tsy horavako, hamboleko fa tsy hongotako, fa anenenako ny loza namelezako anareo.


Izao no lazain’i Iaveh: Indro fa izay efa noarîko ravàko, izay efa namboleko ongotako; dia izao tany rehetra izao.


Ary na dia efa nilaza tamin’ny ratsy fanahy aza Aho nanao hoe: «Ho faty marina ianao», raha miala amin’ny fahotany izy, ka manaraka ny rariny sy ny hitsiny,


Indro, ny mason’ny Tompo Iaveh mifàntoka amin’ny fanjakana mpanota; ka hofongorana tsy ho eo ambonin’ny tany izy. Nefa tsy dia hofongorako manontolo tsy akory ny taranak’i Jakôba, - teny marin’ny Tompo Iaveh. -


Nahita ny nataon’izy ireo, sy ny nialany tamin’ny lalan-dratsiny Andriamanitra, ka nanenina tamin’ny loza voalazany hamelezana azy ireo Andriamanitra, ka dia tsy notanterahiny indray izany.


Nanomboka niditra tao anatin’ny tanàna, lalana indray andro aloha i Jônasy, ka nitory izy nanao hoe: «Rehefa afaka efapolo andro, dia horavana i Niniva!»


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra