Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 18:7 - DIEM PROTESTANTA

7 Indraindray dia milaza ny hanongotra sy hanjera ary handrava firenena iray na fanjakana iray Aho.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

7 Mbetika Aho dia milaza ny amin’ny firenena sy fanjakana iray fa hongotako sy hazerako ary horavako izy;

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

7 Indraindray dia milaza ny hanongotra sy hanjera ary handrava firenena iray na fanjakana iray Aho.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

7 Matetika Aho miteny ny amin’ny firenena iray, ny amin’ny fanjakana iray hoe: hongotana, hazera, horavana.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

7 Vetivety Aho dia milaza firenena sy fanjakana Hongotako sy hazerako ary horavako;

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

7 Vetivety Aho dia milaza firenena sy fanjakana hongotako sy hazerako ary horavako;

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

7 Mbetika Aho dia milaza ny amin’ny firenena sy fanjakana iray fa hongotako sy hazerako ary horavako izy;

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 18:7
13 Rohy Ifampitohizana  

Koa nanenina IZY ary nalahelo ny fony tamin’ny nanaovany ny olombelona teto ambonin’ny tany.


Jereo fa omeko fahefana ianao anio amin’ireo firenena sy fanjakana mba hanongotra sy hanjera, hanapotika sy handrava, ary hanorina sy hamboly.


Angamba hihaino ihany izy, ka hiala amin’ny fitondrantena ratsy. Mihevitra ny hamely azy amin’ny loza Aho noho ny ratsy fanaony, nefa tsy hampihariko izany raha mihaino izy.


Mandraka ankehitriny dia nilofo namely azy Aho, mba hanongotra sy hanjera, hanapotika sy handrava, ary hanisy ratsy azy. Fa izao kosa hilofo hanasoa azy Aho mba hanarina sy hampiorina; teny hentitra avy amiko TOMPO izany.


«Raha hiverina hipetraka ao amin’ity tany ity ianareo, dia haoriko indray ny vahoakanareo fa tsy horavako intsony; hamboleko indray ianareo fa tsy hongotako, ary hanenenako ny loza izay efa namelezako anareo.


Noho izany, dia izao no hafatry ny TOMPO asainy ampitaiko aminao: «Eo am-pandravana izay naoriko Aho izao ary eo am-panongotana izay namboleko; ary korontaniko ny tany tontolo.


Ohatra kosa misy olon-dratsy iray nilazako fa hahafaty azy tokoa ny afitsony. Raha miala amin’ny fahotany izy ka manao ny rariny sy ny hitsiny, dia tsy ho faty izy.


Saingy rehefa tafajoro tsara izy, dia hopotehina ny fanjakany ka hozaraina efatra araka ny vazan-tany efatra, fa tsy hodimbiasan’ny taranany; hongotana ka ho lasan’olon-kafa ny fahefà-manjaka, nefa tsy hanan-kery tahaka ny fanapahan’ilay mpanjaka maherifo.


Indro ny Tompo ANDRIANANAHARY mampifantoka ny masony amin’ity fitondram-panjakana mpanota ity sady manao teny hentitra hoe: «Hamongotra azy tsy ho eto ambonin’ny tany intsony Aho, Kanefa tsy hamongotra manontolo ny taranak’i Jakôba.


Rehefa hitan’Andriamanitra ny fihetsik’ireo Ninivita izay niala tamin’ny toetra ratsiny, dia niova fanapahan-kevitra Izy ka tsy nampihatra ny loza izay nolazainy hamelezany azy.


Dia nanomboka ny fitetezana tamin’ny andro voalohany i Jônà ka nitory hoe: «Rehefa afaka efapolo andro, dia horavana i Ninive.»


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra