Jeremia 18:8 - DIEM PROTESTANTA8 Nefa raha miala amin’ny ratsy izay nahatonga ny fandrahonako izy, dia hiova hevitra amin’ny loza izay nokasaiko hamelezana azy Aho. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 20118 kanefa raha miala amin’ny ratsy izany firenena noteneniko izany dia hanenenako kosa ny loza izay nokasaiko hamelezana azy. Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara8 Nefa raha miala amin’ny ratsy izay nahatonga ny fandrahonako izy, dia hiova hevitra amin’ny loza izay nokasaiko hamelezana azy Aho. Jereo ny tokoBaiboly Katolika8 Nefa kosa raha ny firenena nolazaiko hasiana, mba miverina miala amin’ny haratsiany, dia hanenenako ny loza nokasaiko hamelezana azy. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy8 Nefa raha miala amin’ny ratsy izany firenena noteneniko izany, Dia hanenenako kosa ny loza izay nokasaiko hamelezako azy. Jereo ny tokoMalagasy Bible8 Nefa raha miala amin'ny ratsy izany firenena noteneniko izany, dia hanenenako kosa ny loza izay nokasaiko hamelezako azy. Jereo ny tokoLa Bible en Malgache8 kanefa raha miala amin’ny ratsy izany firenena noteneniko izany dia hanenenako kosa ny loza izay nokasaiko hamelezana azy. Jereo ny toko |
Raha izany no hataonao, dia hiteny ny Ejiptianina hoe: «Halozana no namoahan’ny Tompo ireo Israelita ireo hiala ny tanintsika, mba handringanany azy any an-tendrombohitra, ary hanafoanany azy tsy ho eto ambonin’ny tany intsony.» TOMPO ô, toneo ny hatezeranao, ary avelao ny loza saika hamelezanao ny vahoakanao.
«Ianao, ry ilay taranak’olombelona, lazao amin’ny mpiray firenena aminao koa izao: ‹Raha misy olo-marina iray manao ratsy, ny soa izay nataony taloha dia tsy hahavonjy azy. Raha misy olon-dratsy miala amin’ny faharatsiany, ny ratsy izay nataony taloha dia tsy hahavoa azy. Eny, raha misy olo-marina iray manota, ny soa izay nataony taloha dia tsy hahavelona azy.
Nivavaka tamin’ny TOMPO izy ka nanao hoe: –TOMPO ô, izao indrindra no efa nahîko raha mbola tany amin’ny fireneko aho, ka nahatonga ahy handositra hankany Tarsîsy. Fantatro manko fa Ianao dia Andriamanitra miantra sy mamindrafo, tsy mora tezitra sady be fitiavana ary vonon-kiova fanapahan-kevitra ny amin’ny loza.