Jeremia 17:8 - Baiboly Katolika Manahaka ny hazo nambolena eo amoron-drano izy, mandatsaka ny fakany mankany amin’ny rano mandeha; tsy matahotra rehefa tonga ny hainandro, sady maitso ravina mandrakariva; tsy manahy izay taona fahamainana izy, ary tsy mitsahatra ny mamoa. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Fa ho toy ny hazo ambolena eo amoron-drano izy, izay mamaka eo anilan’ny rano mandeha; koa tsy matahotra na dia avy aza ny hainandro, sady ho maitso foana ny raviny; tsy hanahy izy na dia mihantona aza ny andro satria tsy hitsahatra ny famoany. DIEM PROTESTANTA Ho tahaka ny hazo ambolena eo amoron-drano izy ka misandraha-paka eo akaikin’ny renirano. Tsy misy atahorany na avy aza ny hafanana, ary maitso hatrany ny raviny; Na dia amin’ny taonan’ny hain-tany aza, tsy manahy izy fa mamokatra hatrany. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ho tahaka ny hazo ambolena eo amoron-drano izy ka misandraha-paka eo akaikin’ny renirano. Tsy misy atahorany na avy aza ny hafanana, ary maitso hatrany ny raviny; Na dia amin’ny taonan’ny hain-tany aza, tsy manahy izy fa mamokatra hatrany. Baiboly Protestanta Malagasy Fa ho toy ny hazo ambolena eo amoron-drano izy, Izay mamaka eo anilan’ny rano mandeha; Ka tsy hatahotra, na dia avy aza ny hainandro, Sady ho maitso ny raviny, Ka tsy hanahy izy, na dia mihantona aza ny andro, Fa tsy hitsahatra ny famoany. Malagasy Bible Fa ho toy ny hazo ambolena eo amoron-drano izy, izay mamaka eo anilan'ny rano mandeha, ka tsy hatahotra, na dia avy aza ny hainandro, sady ho maitso ny raviny, ka tsy hanahy izy, na dia mihantona aza ny andro, fa tsy hitsahatra ny famoany. La Bible en Malgache Fa ho toy ny hazo ambolena eo amoron-drano izy, izay mamaka eo anilan’ny rano mandeha; koa tsy matahotra na dia avy aza ny hainandro, sady ho maitso foana ny raviny; tsy hanahy izy na dia mihantona aza ny andro satria tsy hitsahatra ny famoany. |
Tahaka ny hazo nambolena eo amoron’ny ranovelona izy, ka ny voany tonga amin’ny fotoany; ny raviny tsy mba malazo; ny ataony rehetra vanona avokoa.
ary i Iaveh hitari-dalana anao mandrakizay; sy hamoky ny fanahinao eny amin’ny tany karankaina; ary hanome hery ny taolanao. Ho tahaka ny zaridaina tsara tondraka ianao, sy ho tahaka ny loharano velona, tsy manam-paharitana.
Hitondra ho an’ny tra-pahoriana ao Siôna sy hanasatroka azy ny satroboninahitra ho solon’ny lavenona, diloilo fifaliana ho solon’ny fisaonana akanjo firavoravoana, ho solon’ny fahareraham-po; dia hantsoin’ny olona hoe: terebintan’ny fahamarinana, volin’i Iaveh ho an’ny voninahiny.
Hataoko afaka tokoa ianao ka tsy ho lavon-tsabatra, fa hahazo ny ainao ho babo, satria natoky Ahy ianao, - teny marin’i Iaveh. -
Indro fa i Asora dia hazo sedera any Libàna, tsara rantsana, be alokaloka, avo vatana, ary mitehika amin’ny rahona ny tendrony.
Eo akaikin’ny ony, amin’ny morony an-daniny avy, hisy hazo mamoa isan-karazany haniry, ka ny raviny tsy mba halazo, ary ny voany tsy mba hitsahatra. Hamoa voa vaovao isam-bolana izy, satria hivoaka avy ao amin’ny fitoerana masina ny ranony; ny voany ho fihinana tsara, ary ny raviny ho fanasitranana tsara.»