Jeremia 17:8 - DIEM PROTESTANTA8 Ho tahaka ny hazo ambolena eo amoron-drano izy ka misandraha-paka eo akaikin’ny renirano. Tsy misy atahorany na avy aza ny hafanana, ary maitso hatrany ny raviny; Na dia amin’ny taonan’ny hain-tany aza, tsy manahy izy fa mamokatra hatrany. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 20118 Fa ho toy ny hazo ambolena eo amoron-drano izy, izay mamaka eo anilan’ny rano mandeha; koa tsy matahotra na dia avy aza ny hainandro, sady ho maitso foana ny raviny; tsy hanahy izy na dia mihantona aza ny andro satria tsy hitsahatra ny famoany. Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara8 Ho tahaka ny hazo ambolena eo amoron-drano izy ka misandraha-paka eo akaikin’ny renirano. Tsy misy atahorany na avy aza ny hafanana, ary maitso hatrany ny raviny; Na dia amin’ny taonan’ny hain-tany aza, tsy manahy izy fa mamokatra hatrany. Jereo ny tokoBaiboly Katolika8 Manahaka ny hazo nambolena eo amoron-drano izy, mandatsaka ny fakany mankany amin’ny rano mandeha; tsy matahotra rehefa tonga ny hainandro, sady maitso ravina mandrakariva; tsy manahy izay taona fahamainana izy, ary tsy mitsahatra ny mamoa. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy8 Fa ho toy ny hazo ambolena eo amoron-drano izy, Izay mamaka eo anilan’ny rano mandeha; Ka tsy hatahotra, na dia avy aza ny hainandro, Sady ho maitso ny raviny, Ka tsy hanahy izy, na dia mihantona aza ny andro, Fa tsy hitsahatra ny famoany. Jereo ny tokoMalagasy Bible8 Fa ho toy ny hazo ambolena eo amoron-drano izy, izay mamaka eo anilan'ny rano mandeha, ka tsy hatahotra, na dia avy aza ny hainandro, sady ho maitso ny raviny, ka tsy hanahy izy, na dia mihantona aza ny andro, fa tsy hitsahatra ny famoany. Jereo ny tokoLa Bible en Malgache8 Fa ho toy ny hazo ambolena eo amoron-drano izy, izay mamaka eo anilan’ny rano mandeha; koa tsy matahotra na dia avy aza ny hainandro, sady ho maitso foana ny raviny; tsy hanahy izy na dia mihantona aza ny andro satria tsy hitsahatra ny famoany. Jereo ny toko |
Manao fisaonana an’i Tsiôna ireo, kanefa hirahina aho hanome azy ribà fehiloha ho solon’ny lavenona amin’ny lohany, hanome diloilo manitra ho solon’ny alahelo sy fitafiana fitondra amin’ny fety ho solon’ny toetra manjoretra. Amin’izay no hiantsoana azy ireo hoe: «Hazo vokatry ny fitahiana, saha nambolen’ny TOMPO mba hanehoany ny famirapiratany.»