Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 17:7 - DIEM PROTESTANTA

7 Fa hotahîna izay mitoky amiko ka manana Ahy TOMPO ho fialofany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

7 Hotahina izay olona matoky NY TOMPO, dia izay manana NY TOMPO ho tokiny.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

7 Fa hotahîna izay mitoky amiko ka manana Ahy TOMPO ho fialofany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

7 Hohasoavina ny olona mitoky amin’i Iaveh, sy manantena an’i Iaveh ho tokiny!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

7 Hotahina izay olona matoky an’i Jehovah, Dia izay manana an’i Jehovah ho tokiny.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

7 Hotahina izay olona matoky an'i Jehovah, dia izay manana an'i Jehovah ho tokiny.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

7 Hotahina izay olona matoky NY TOMPO, dia izay manana NY TOMPO ho tokiny.

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 17:7
16 Rohy Ifampitohizana  

Hira fiakarana. Izay matoky ny TOMPO: toy ny tendrombohitra Tsiôna, tsy mihontsona fa mitombina mandrakizay.


Sambatra izay manana an’Andriamanitra ho Mpitahy, dia ilay Andriamanitr’i Jakôba; sambatra izay mametraka ny fitokiany ao amin’ny TOMPO Andriamaniny:


Ny an’ny sasany, ny kalesiny no itokiany; ny an’ny hafa, ny soavaliny no iankinany; ny anay kosa, ny anaran’ny TOMPO Andriamanitray no hany hery ianteheranay.


Ny anjelin’ny TOMPO miambina manodidina ny mpanaja an’Andriamanitra ka manafaka azy amin’ny loza.


Nasiany hira vaovao teo am-bavako, dia hira fiderana an’Andriamanitsika! Maro tokoa no hahita izany, ka hanaja sy hatoky ny TOMPO.


Fa Ianao no fanantenàko, ry Tompo ANDRIANANAHARY ô; Ianao no itokiako hatry ny fahakeliko.


Eny, ny TOMPO Andriamanitra no manda sy ampinga ho antsika. Fitiavana sy voninahitra no omen’ny TOMPO; tsy mba misy zava-tsoa laviny amin’izay madio fitondrantena.


Izay mahay mandini-draharaha no hahita soa; ary izay matoky ny TOMPO no ho sambatra.


Na izany aza, mbola miandry fotoana ny TOMPO hahazoany miantra anareo, mbola hirotsaka an-tsehatra Izy hamindra fo aminareo, satria Andriamanitra mitandro ny marina ny TOMPO; sambatra izay rehetra miandry Azy.


Manao fisaonana an’i Tsiôna ireo, kanefa hirahina aho hanome azy ribà fehiloha ho solon’ny lavenona amin’ny lohany, hanome diloilo manitra ho solon’ny alahelo sy fitafiana fitondra amin’ny fety ho solon’ny toetra manjoretra. Amin’izay no hiantsoana azy ireo hoe: «Hazo vokatry ny fitahiana, saha nambolen’ny TOMPO mba hanehoany ny famirapiratany.»


Havotako tokoa ianao mba tsy ho faty an’ady, ka ho voavonjy ny ainao, satria natoky Ahy ianao. Teny hentitra avy amiko TOMPO izany.› »


Dia loa-bolana i Nebokadnetsara ka nanao hoe: –Hisaorana anie Andriamanitr’i Sadràka sy i Mesàka ary i Habeda-Negao; naniraka ny anjeliny manko Izy mba hamonjy ny mpanompony izay natoky Azy, ka nandika ny baiko nataoko. Fa naleon’ireo kosa nanolo-tena hampijalina toy izay hanompo sy hitsaoka andriamani-kafa ankoatra ilay Andriamaniny.


Nefa hisy olona ory sy malahelo hataoko sisa tavela eo aminao, dia olona hitady fialofana amiko TOMPO.


Hideranay an’Andriamanitra be voninahitra anie izany, satria izahay no nanantena voalohany an’i Kristy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra