Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Jeremia 16:9 - Baiboly Katolika

Fa izao no lazain’i Iavehn’ny tafika, Andriamanitr’i Israely: Indro hatsahatro amin’ity tany ity, eo imasonareo sy amin’ny andronareo, ny hobin-kafaliana sy ny hobim-piravoravoana, ny hiran’ny mpampakatra, aman-kiran’ny ampakarina.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Fa izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, Andriamanitry ny Israely: Indro, hatsahatro amin’ity tany ity eo imasonareo sy amin’ny andronareo ny feo mifaly sy ny feo miravoravo, dia ny feon’ny mpampakatra sy ny feon’ny ampakarina.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Satria Izaho TOMPOn’izao rehetra izao sady Andriamanitr’i Israely no efa milaza hoe: ‹Indro hatsahatro amin’ity tany ity eo imasonareo sy amin’ny andronareo ny kotabam-pifaliana amin’ny fety sy ny horakora-piravoana ary ny hiran’ny mpanambady.›

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Satria Izaho TOMPOn’izao rehetra izao sady Andriamanitr’i Israely no efa milaza hoe: ‹Indro hatsahatro amin’ity tany ity eo imasonareo sy amin’ny andronareo ny kotabam-pifaliana amin’ny fety sy ny horakora-piravoana ary ny hiran’ny mpanambady.›

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Fa izao no lazain’i Jehovah, Tompon’ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Indro, hatsahatro amin’ity tany ity Eo imasonareo sy amin’ny andronareo Ny feo mifaly sy ny feo miravoravo, Dia ny feon’ny mpampakatra sy ny feon’ny ampakarina.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Fa izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Indro, hatsahatro amin'ity tany ity eo imasonareo sy amin'ny andronareo ny feo mifaly sy ny feo miravoravo, dia ny feon'ny mpampakatra sy ny feon'ny ampakarina.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Fa izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, Andriamanitry ny Israely: Indro, hatsahatro amin’ity tany ity eo imasonareo sy amin’ny andronareo ny feo mifaly sy ny feo miravoravo, dia ny feon’ny mpampakatra sy ny feon’ny ampakarina.

Jereo ny toko



Jeremia 16:9
8 Rohy Ifampitohizana  

Nolevonin’ny afo ny zatovolahiny, ary tsy nahare ny hiram-panambadiana ny zatovovaviny.


Hampijanona eo afovoany aho, ny hobim-pifaliana, ny feo firavoravoana, ny hiran’ny mpampakatra, ny hiran’ny ampakarina, ny feom-bato fikosoham-bary, ary fahazavan’ny jiro.


Hataoko mitsahatra eo an-tanànan’i Jodà, sy eny an-dalamben’i Jerosalema ny feo fifaliana sy ny feo firavoravoana, ny hiran’ny mpampakatra sy ny ampakarina; fa hanjary efitra ny tany.


Fa Izaho Iaveh, hiteny, ary ny teny holazaiko, ho tanteraka; tsy hanaovana ampitso lava. Eny, amin’izao andronareo izao, ry taranaka miodina, no hilazako ny teny, sy hanatanterahako azy. - Teny marin’ny Tompo Iaveh. -


Hataoko mitsahatra ny feon-kiranao, ary tsy ho re intsony ny feon-dokanganao.


Koa halaiko indray ny variko amin’ny androny, sy ny divaiko vaovao amin’ny taonany, sady hoesoriko ny volon’ondry aman-drongoniko, izay enti-manarona ny fitanjahany.