Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 16:9 - DIEM PROTESTANTA

9 Satria Izaho TOMPOn’izao rehetra izao sady Andriamanitr’i Israely no efa milaza hoe: ‹Indro hatsahatro amin’ity tany ity eo imasonareo sy amin’ny andronareo ny kotabam-pifaliana amin’ny fety sy ny horakora-piravoana ary ny hiran’ny mpanambady.›

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

9 Fa izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, Andriamanitry ny Israely: Indro, hatsahatro amin’ity tany ity eo imasonareo sy amin’ny andronareo ny feo mifaly sy ny feo miravoravo, dia ny feon’ny mpampakatra sy ny feon’ny ampakarina.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

9 Satria Izaho TOMPOn’izao rehetra izao sady Andriamanitr’i Israely no efa milaza hoe: ‹Indro hatsahatro amin’ity tany ity eo imasonareo sy amin’ny andronareo ny kotabam-pifaliana amin’ny fety sy ny horakora-piravoana ary ny hiran’ny mpanambady.›

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

9 Fa izao no lazain’i Iavehn’ny tafika, Andriamanitr’i Israely: Indro hatsahatro amin’ity tany ity, eo imasonareo sy amin’ny andronareo, ny hobin-kafaliana sy ny hobim-piravoravoana, ny hiran’ny mpampakatra, aman-kiran’ny ampakarina.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

9 Fa izao no lazain’i Jehovah, Tompon’ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Indro, hatsahatro amin’ity tany ity Eo imasonareo sy amin’ny andronareo Ny feo mifaly sy ny feo miravoravo, Dia ny feon’ny mpampakatra sy ny feon’ny ampakarina.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

9 Fa izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Indro, hatsahatro amin'ity tany ity eo imasonareo sy amin'ny andronareo ny feo mifaly sy ny feo miravoravo, dia ny feon'ny mpampakatra sy ny feon'ny ampakarina.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

9 Fa izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, Andriamanitry ny Israely: Indro, hatsahatro amin’ity tany ity eo imasonareo sy amin’ny andronareo ny feo mifaly sy ny feo miravoravo, dia ny feon’ny mpampakatra sy ny feon’ny ampakarina.

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 16:9
8 Rohy Ifampitohizana  

Kilan’ny afo ireo zatovolahiny; noho izany ireo zatovovaviny dia tsy nanaovana hiram-pampakarana;


Hofoanako tsy hisy eo aminareo ny tabataban’ny fety, ny horakora-pifaliana sy ny hiran’ny mpanambady, ny fidilotry ny vato fikoseham-bary ary ny fahazavan’ny jiro.


Ary eny an-tanàn-dehiben’i Joda sy eny an-dalamben’i Jerosalema dia hatsahatro ny kotabam-pifaliana amin’ny fety sy ny horakora-piravoana ary ny hiran’ireo mpanambady satria ho lao ny tany.


Izaho TOMPO no hiteny; ary ny teny izay lazaiko dia hihatra tsy an-kiandry intsony. Eny, amin’izao andronareo izao, ry Israelita maditra, no hanatanterahako izay zavatra lazaiko. Teny hentitra avy amiko Tompo ANDRIANANAHARY izany.»


Hatsahatro ny tabataban-kiranao, ary tsy ho re intsony ny feon-dokanganao.


Koa halaiko aminy indray ny variko raha fararano, ary ny divaiko amin’ny fotoam-piotazana. Hoesoriko aminy ny volon’ondriko sy ny kiran-drongoniko izay nanaronany ny fitanjahany.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra