Aoka izy ho menatra sy ho raiki-tahotra mandrakizay, sy hangaihay ary ho azon’ny fandringanana.
Jeremia 16:21 - Baiboly Katolika Koa indro hampahafantariko azy ireo amin’ity indray maka ity, hampahafantariko azy ireo ny tanako sy ny heriko dia ho fantany fa i Iaveh no Anarako. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Koa indro, hampahafantariko azy amin’izao indray mandeha izao, eny, hampahafantariko azy ny tanako sy ny heriko ka ho fantany fa NY TOMPO no anarako. DIEM PROTESTANTA –Hoy kosa ny TOMPO hoe: «Koa amin’ity indray mandeha ity, dia hampahafantariko azy ny fahefàko sy ny heriko ka ho fantany fa Izaho no TOMPO.» Dikateny Iombonana Eto Madagasikara –Hoy kosa ny TOMPO hoe: «Koa amin’ity indray mandeha ity, dia hampahafantariko azy ny fahefàko sy ny heriko ka ho fantany fa Izaho no TOMPO.» Baiboly Protestanta Malagasy Koa, indro, hampahafantariko azy amin’izao indray mandeha izao, Eny, hampahafantariko azy ny tànako sy ny heriko, Ka dia ho fantany fa Jehovah no anarako. Malagasy Bible Koa, indro, hampahafantariko azy amin'izao indray mandeha izao, eny, hampahafantariko azy ny tanako sy ny heriko, ka dia ho fantany fa Jehovah no anarako. La Bible en Malgache Koa indro, hampahafantariko azy amin’izao indray mandeha izao, eny, hampahafantariko azy ny tanako sy ny heriko ka ho fantany fa NY TOMPO no anarako. |
Aoka izy ho menatra sy ho raiki-tahotra mandrakizay, sy hangaihay ary ho azon’ny fandringanana.
Latsaka tamin’ny lavaka nohadiny ny firenena; voan’ny fandrika harato nafeniny ny tongony.
Ary hohamafisiko ny fon’i Faraôna ka hanenjika azy izy. Nefa hataoko miseho miharihary ny voninahitro ao amin’i Faraôna sy ny tafiny rehetra, ka ho fantatry ny Ejiptianina fa Iaveh Aho. Dia nataon’i zanak’i Israely izany.
Efa niseho tamin’i Abrahama sy i Isaaka ary i Jakôba ho Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra Aho; fa mbola tsy nanambara Ahy taminy Aho araka ny Anarako hoe Iaveh.
Fa izaho Iaveh no Andriamanitrao; ilay Masin’i Israely no mpamonjy anao. Efa nomeko ho avotrao, i Ejipta, ary ho solonao i Etiôpia sy i Sabà.
Izao no tenin’i Iaveh izay manao izany, dia i Iaveh izay misaina izany mba hanatanterahany azy, - Iaveh no Anarany: -
I Ezekiela no famantarana ho anareo; izay rehetra nataony no hataonareo, rehefa tonga izany; dia ho fantatrareo fa Izaho no Tompo Iaveh.»
Amin’izany andro izany, dia amin’ny fahatongavan’ilay mpandositra vao hisokatra ny vavanao, ka hiteny ianao fa tsy ho moana intsony; ary ho famantarana ho azy ireo ianao, dia ho fantatr’izy ireo fa Tompo Iaveh Aho.
Ny hanaovako famaliana an’i Edôma, dia ny tanan’i Israely, vahoakako; hasiany araka ny hatezerako amam-pahavinirako i Edôma, ka ho fantany ny famaliako, - teny marin’ny Tompo Iaveh. -
Nanao ny Kotokelimiadilaona sy ny Telonohorefy izy; mampody ho maraina ny haizina, ary ny andro ho alim-pito; miantso ny rano ao an-damosina, dia mampiely azy eo ambonin’ny tany; Iaveh no anarany.