Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 16:21 - DIEM PROTESTANTA

21 –Hoy kosa ny TOMPO hoe: «Koa amin’ity indray mandeha ity, dia hampahafantariko azy ny fahefàko sy ny heriko ka ho fantany fa Izaho no TOMPO.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

21 Koa indro, hampahafantariko azy amin’izao indray mandeha izao, eny, hampahafantariko azy ny tanako sy ny heriko ka ho fantany fa NY TOMPO no anarako.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

21 –Hoy kosa ny TOMPO hoe: «Koa amin’ity indray mandeha ity, dia hampahafantariko azy ny fahefàko sy ny heriko ka ho fantany fa Izaho no TOMPO.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

21 Koa indro hampahafantariko azy ireo amin’ity indray maka ity, hampahafantariko azy ireo ny tanako sy ny heriko dia ho fantany fa i Iaveh no Anarako.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

21 Koa, indro, hampahafantariko azy amin’izao indray mandeha izao, Eny, hampahafantariko azy ny tànako sy ny heriko, Ka dia ho fantany fa Jehovah no anarako.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

21 Koa, indro, hampahafantariko azy amin'izao indray mandeha izao, eny, hampahafantariko azy ny tanako sy ny heriko, ka dia ho fantany fa Jehovah no anarako.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

21 Koa indro, hampahafantariko azy amin’izao indray mandeha izao, eny, hampahafantariko azy ny tanako sy ny heriko ka ho fantany fa NY TOMPO no anarako.

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 16:21
13 Rohy Ifampitohizana  

Aoka ho menatra sy ho raiki-tahotra izy hatrany amin’ny mandrakizay ka hangaihay sy ho ringana!


Ny lavaka izay nohadîny ihany no nianjeran’ireo hafa firenena; ny fandrika harato nafeniny ihany no nahavoasingotra ny tongony.


Ary hanamafy fo ny Farao Aho, dia hanenjika anareo izy. Kanefa hasehoko ny voninahitro amin’ny hanapotehako ny Farao sy ny tafiny manontolo, ka ho fantatry ny Ejiptianina fa Izaho no TOMPO. Notanterahin’ny Israelita izany araka ny torolalana.


Mpiady mahery ny TOMPO; mandia ny anarany hoe TOMPO.


Tamin’ny anarana hoe «Andriamanitra Tsitoha» no nisehoako tamin’i Abrahama sy i Itsehàka ary i Jakôba fa tsy mbola fantatr’ireo ny anarako hoe «TOMPO.»


Satria Izaho no TOMPO Andriamanitrao, ilay Masin’i Israely mpamonjy anao. Nomeko hanavotana anao i Ejipta; ary nataoko solonao i Etiôpia sy i Sebà.


«Izao no lazain’ny TOMPO, Ilay manao ny zava-mitranga ka mamolavola azy mba hitantanany azy, dia Ilay antsoina hoe TOMPO:


Koa i Ezekiela dia ho famantaram-panairana ho anareo. Tahaka izay rehetra nataony no hataonareo koa; ary rehefa tonga ireo zavatra voalaza ireo, dia hoekenareo fa Izaho no Tompo ANDRIANANAHARY.›


Androtr’iny ihany dia hisoka-bava hiteny ianao, fa tsy ho moana intsony, ka hiresaka amin’io olona io. Ho famantaram-panairana ianao ho an’ny vahoakako, ka amin’izay dia hoekeny fa Izaho no TOMPO.»


Hankiniko amin’i Israely vahoakako ny famaizako an’ireo Edômita. Koa araka izay takin’ny fahatezerako amam-pahavinirako no hatao aminy mba hahatsapany ny ngidim-pamaizako. Teny hentitra avy amiko Tompo ANDRIANANAHARY izany.»


Ho faty miampatrampatra ny ankamaroanareo; ka hiaiky amin’izay ianareo fa Izaho no Tompo.


Fa ilay nanao ny kintana Kotokelimiadilaona sy ny kintana Telonohorefy, manova ny haizim-pito ho maraina sy manamaizina ny andro ho alina, miantso ny rano any an-dranomasina sy manapariaka azy eny ambonin’ny tany, dia ny TOMPO no anarany.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra