Ireo rahalahiko kosa, namadika toy ny ranotrambo, toy ny rano an-dohasahan-driaka, izay mikoriana;
Jeremia 12:6 - Baiboly Katolika Fa na rahalahinao amam-pianakavian-drainao aza, mamadika anao; ireny aza miantsoantso mafy avy eo aorianao; aza mino azy, na manao teny malefaka aminao aza izy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Fa na dia ny rahalahinao sy ny mpianakavin’ny rainao aza dia samy namitaka anao; eny, niantso mafy tao aoriananao ireo. Aza mino azy, na dia tsara fiteny aminao aza izy ireo. DIEM PROTESTANTA Fa na dia ireo mpiray foko aminao aza, eny na dia ireo iray fianakaviana aminao aza, dia mamitaka anao ka miantso olona am-badika hanohitra anao. Aza matoky azy, na dia tsara vava aminao aza izy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Fa na dia ireo mpiray foko aminao aza, eny na dia ireo iray fianakaviana aminao aza, dia mamitaka anao ka miantso olona am-badika hanohitra anao. Aza matoky azy, na dia tsara vava aminao aza izy. Baiboly Protestanta Malagasy Fa na dia ny rahalahinao sy ny mpianakavin’ny rainao aza Dia samy namitaka anao; Eny, niantso mafy teo aorianao ireo; Aza mino azy, na dia tsara fiteny aminao aza izy. Malagasy Bible Fa na dia ny rahalahinao sy ny mpianakavin'ny rainao aza dia samy namitaka anao; Eny, niantso mafy teo aorianao ireo; Aza mino azy, na dia tsara fiteny aminao aza izy. La Bible en Malgache Fa na dia ny rahalahinao sy ny mpianakavin’ny rainao aza dia samy namitaka anao; eny, niantso mafy tao aoriananao ireo. Aza mino azy, na dia tsara fiteny aminao aza izy ireo. |
Ireo rahalahiko kosa, namadika toy ny ranotrambo, toy ny rano an-dohasahan-driaka, izay mikoriana;
Vonjeo, ry Iaveh ô! fa mihafongotra ny tia vavaka: mihafoana tsy ho eo amin’ny zanak’olombelona ny mahatoky.
Mifampilaza lainga no ataon’ny olona; molotra mandrobo sy feo mamorom-pitaka no itenenany.
Fa izao no nolazain’i Iaveh tamiko: «Toy ny fieron’ny liona sy ny liona tanora amin’ny rembiny, raha mivory hanohitra azy ny mpiandry ondry maro be, ka tsy resin-tahotra izay horakorak’izy ireo, na manahy izay hamaroany akory; toy izany koa no hidinan’i Iavehn’ny tafika mba hiady, eo an-tendrombohitra Siôna sy eo amin’ny havoany.
Izaho, tamin’izany, hoatra ny zanak’ondry bonaika entin’ny olona hovonoina, ka tsy nahalala ny tetika nataony hamelezana ahy hoe: «Fongory mbamin’ny voany ny hazo! Esory eo amin’ny tanin’ny velona izy ary aoka tsy ho tsaroana intsony ny anarany!»
Ka dia izao no lazain’i Iaveh, ny amin’ireo olona ao Anatôta, izay mitady ny ainao, sy manao hoe: Aza maminany amin’ny Anaran’i Iaveh, raha tsy te ho fatin’ny tananay ianao!
Efa reko ny vava ratsin’ny olona betsaka manao hoe: Fangorohoroana avy hatraiza hatraiza! Torio izy, andeha hotorintsika izy! Ny olona rehetra tsara fihavanana amiko, manao andry maso ny diako: Raha mety ho voatarika izy dia hahombiazantsika, ka dia hamaly faty azy isika.
Manenjan-dela, toy ny tsipìka, handefasan-dainga; tsy amin’ny marina no mahahery azy amin’ny tany, fa mivarilavo amin’ny fahotana ihany izy ireo, ary Izaho tsy mba fantany, - teny marin’i Iaveh. -
Samia miaro tena amin’ny sakaizany avy ianareo, ary aza matoky izay rahalahy, na dia iray aza; fa misongona ho hàny ataon’ny rahalahy rehetra; ary lasa mitati-bolana fanaratsiana avokoa ny sakaiza.
Izy rehetra rehetra samy mifamitaka; tsy mba milaza ny marina; mampiasa lela mandainga, misahirana hanao ratsy.
Monina eo afovoan’ny minia tsy marina ianao; fa minia tsy marina izy ireo no mandà tsy hahalala Ahy, - teny marin’i Iaveh. -
Ary ny rahalahy hanolotra ny rahalahiny hovonoina, ny ray hanolotra ny zanany, ny zanaka hiodina amin’ny rainy aman-dreniny ka hamono azy;
Ary nitady hisambotra Azy izy ireo, satria fantany fa izy ihany no lazainy amin’izany fanoharana izany, saingy natahotra ny vahoaka izy; koa nandao Azy, dia lasa.
Niaraka tamin’izay dia nirohotra hamely azy ny vahoaka; nasain’ny mpitsara nendahana ny lambany vao handalasina amin’ny hazo izy ireo.
Ary nony i Galiôna no governora tao Akaia, dia niray tetika hamely an’i Paoly ny Jody, ary nitondra azy teo amin’ny fitsarana,