Fa amin’ny ratsy fanahy kosa, dia hoy Andriamanitra: «Ahoana no mba anononanao ny lalàko, sy anaovanao am-bava ny fanekeko,
Jeremia 11:15 - Baiboly Katolika Inona no hataon’ny malalako ao an-tranoko? Fihatsarambelatsihy va? Moa va ny voady aman-kena masina, hahafaka anao amin’ny loza manindry anao, no mety mirobiroby amin’ny firavoravoana ianao? Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Hanao inona ao an-tranoko ny malalako? Efa namoron-tsain-dratsy niaraka tamin’ny maro izy. Moa ny voady sy ny hena masina va no hampiala ny faharatsianao, na hahafahanao handositra? Raha azon-doza ianao, mifalia ary! DIEM PROTESTANTA Hoy ny TOMPO hoe: «Ilay vahoaka malalako dia manao zavatra tsy amin-kitsim-po. Inona moa no ataony atỳ an-tranoko? Moa ny voady sy ny sorona ataony amiko ve hampandositra ny loza hiala aminy ka hahafahany mihodivitra tsy ho azony? Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Hoy ny TOMPO hoe: «Ilay vahoaka malalako dia manao zavatra tsy amin-kitsim-po. Inona moa no ataony atỳ an-tranoko? Moa ny voady sy ny sorona ataony amiko ve hampandositra ny loza hiala aminy ka hahafahany mihodivitra tsy ho azony? Baiboly Protestanta Malagasy Hanao inona ao an-tranoko ny malalako Fa efa namoron-tsain-dratsy niaraka tamin’ny maro izy, Ary ny hena masina dia esorina aminao; Raha azon-doza hianao, mifalia ary! Malagasy Bible Hanao inona ao an-tranoko ny malalako fa efa namoron-tsain-dratsy niaraka tamin'ny maro izy, ary ny hena masina dia esorina aminao; Raha azon-doza ianao, mifalia ary! La Bible en Malgache Hanao inona ao an-tranoko ny malalako? Efa namoron-tsain-dratsy niaraka tamin’ny maro izy. Moa ny voady sy ny hena masina va no hampiala ny faharatsianao, na hahafahanao handositra? Raha azon-doza ianao, mifalia ary! |
Fa amin’ny ratsy fanahy kosa, dia hoy Andriamanitra: «Ahoana no mba anononanao ny lalàko, sy anaovanao am-bava ny fanekeko,
Nasianao fizahan-toetra sarotra ny vahoakanao, nampisotroinao divay mahafanina izahay.
Ny manao ratsy no ataon’ny adala ho lalao; ary toy izany koa ny fahendrena amin’ny olona manan-tsaina.
Ny soron’ny ratsy fanahy dia ankahalain’i Iaveh; fa ny vavaky ny olo-mahitsy kosa, ankasitrahiny.
Ny soron’ny ratsy fanahy, dia fahavetavetana, indrindra fa raha sain-dratsy no anaterany azy.
Raha misy mamily ny sofiny tsy hihaino ny lalàna, na ny fivavahany aza dia fahavetavetana.
Izao no lazain’i Iaveh: Aiza izay taratasy fisaorana an-dreninao, nisaorako azy? Iza no manan-trosa amiko, nivarotako anareo? Tsia, noho ny tsy fahamarinanareo ihany, no nivarotana anareo; noho ny fahotanareo ihany, no nisaorana an-dreninareo.
Nilaozako ny tranoko, nafoiko ny lovako; izay tiako dia natolotro ho eo an-tanan’ny fahavaloko.
Ny fijangajanganao, ny fanenonao, ny fanoloranao vatana ho amin’ny asa vetaveta, eny amin’ny havoana, eny an-tsaha eny, ny fahavetavetanao rehetra dia hitako avokoa. Loza ho anao, ry Jerosalema! Maloto ianao, ka mbola haharitra mandra-pahoviana izany?
Fa izao no navalin’i Iaveh ahy: «Na i Môizy sy i Samoela aza no hitsangana eto anatrehako, dia tsy hitodika ity firenena ity ny Fanahiko; roahy hiala eo anatrehan’ny Tavako izy, ka aoka handeha!
«Mandehana, ataovy antso avo ho ren’i Jerosalema izao teny izao:» Izao no lazain’i Iaveh: «Tsaroako ny firaiketam-ponao tamiko, fony ianao mbola tanora, ny fitiavanao, fony ianao vao fofom-bady; dia ilay nanarahanao Ahy tany an’efitra, tany amin’ny tany tsy famafazana.
Hatramin’ny mpaminany ama-mpisorona aza no olona tsy voahasina, ary hitako hatrao an-tranoko aza ny haratsiany, - teny marin’i Iaveh. -
Miverena, ry zaza mpiodina, - teny marin’i Iaveh, - fa Izaho no Tomponareo; ary halaiko ianareo, ny iray ao amin’ny tanàna iray, ary ny roa amin’ny fianakaviana iray; ka hoentiko any Siôna.
Ary hitako fa izany fitolorana tena amin’ny hafa izany, no nisaorako an’i Israely mpiodina, sy nanomezako azy taratasy fisaorana: nefa tsy natahotra akory i Jodà, mpivadika, rahavaviny, fa lasa nitolo-tena tamin’ny hafa mbamin’izy koa aza.
Ary hoy i Iaveh tamiko: «Mandehana indray, mitiava vehivavy izay tian’ny lehilahiny anankiray ka manitsakitsa-bady: tahaka ny itiavan’i Iaveh ny zanak’i Israely, nefa izy ireo kosa mivadika mankany amin’andriamani-kafa, sady tia ny ampempam-boaloboka.»
Ary niditra ny mpanjaka hizaha ny mpihinana, ka nahita lehilahy anankiray tsy niakanjo ny akanjo fitondra amin’ny fampakaram-bady,
Raha vao nahatazana an’i Jesoa izy, dia nikiakiaka sy niankohoka teo an-tongony ary niantso mafy hoe: «Misy inona raharahainao amiko, ry Jesoa Zanak’Andriamanitra Avo indrindra ô? Mifona re, aza dia mampijaly ahy!»
Raha amin’ny Evanjely, dia mbola fahavalo izy noho ianareo; fa raha amin’ny fifidianana kosa, dia malala izy noho ny razany;
Madio ny zavatra rehetra amin’ny olona madio; fa amin’ny olona maloto sy tsy mino kosa, dia tsy misy madio na inona na inona, fa voaloto avokoa na ny sainy na ny fieritreretany.
Fa izao dia mirehareha amin’ny fahasahianareo ianareo; ka ratsy ny fireharehana rehetra toy izany.