Ketrina avokoa ny olona na iza na iza, sady very hevitra; menatra noho ny amin’ny sampiny koa ny mpanao azy, fa fitaka foana ny sary anidina nataony, tsy manam-pofon’aina akory ireny.
Jeremia 10:21 - Baiboly Katolika Indrisy, ketrina ireo mpiandry ondry; tsy nitady an’i Iaveh izy; koa tsy nambinina akory izy, dia naely avokoa ny biby andrasany. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Fa efa tonga kentrina ny mpiandry ondry ka tsy mitady NY TOMPO; izany no tsy mahahendry azy ka miely ny ondry andrasany rehetra. DIEM PROTESTANTA Hadalàn’ny mpitondra izao: Tsy nanontany ny TOMPO izy. Izany no tsy nahombiazany, ary niparitahan’izay rehetra nandrasany. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Hadalàn’ny mpitondra izao: Tsy nanontany ny TOMPO izy. Izany no tsy nahombiazany, ary niparitahan’izay rehetra nandrasany. Baiboly Protestanta Malagasy Fa efa ketrina ny mpiandry ondry Ka tsy mitady an’i Jehovah; Izany no tsy mahahendry azy, Ka dia miely ny ondry andrasany rehetra. Malagasy Bible Fa efa ketrina ny mpiandry ondry ka tsy mitady an'i Jehovah; Izany no tsy mahahendry azy, ka dia miely ny ondry andrasany rehetra. La Bible en Malgache Fa efa tonga kentrina ny mpiandry ondry ka tsy mitady NY TOMPO; izany no tsy mahahendry azy ka miely ny ondry andrasany rehetra. |
Ketrina avokoa ny olona na iza na iza, sady very hevitra; menatra noho ny amin’ny sampiny koa ny mpanao azy, fa fitaka foana ny sary anidina nataony, tsy manam-pofon’aina akory ireny.
Mpiandry ondry maro no nanimba ny tanimboaloboko, nanosihosy ny taniko, nanova ny anjara mamiko ho efitra, ho tany lao.
Ny mpisorona tsy nanao hoe: ‹Aiza i Iaveh?› ny mpitan-dalàna, tsy nahalala Ahy: ny mpitondra, nivadika tamiko; ary ny mpaminany, naminany tamin’ny anaran’i Baala, ka nanaraka ny tsy mahasoa na inona na inona izy ireny.
Izao no lazain’i Iaveh: Ity lehilahy ity dia soraty ho tsy miteraka, ho lehilahy tsy mahomby amin’ny androny! Fa amin’ny taranany tsy hisy hahavanona ny mipetraka eo amin’ny seza fiandrianan’i Davida, hanjaka indray amin’i Jodà.
Ny ramevany ho babonareo, ny biby fiompiny, iray dia marenina, ho remby.» Haeliko any amin’ny rivotra rehetra ireo olona mihety fihirifana ireo, ary hahatonga fandravana azy avy hatraiza hatraiza Aho, - teny marin’i Iaveh. -
Ny mpaminany, maminany lainga, ny mpisorona, mitondra araka izay sitrak’ireo mpaminany ireo; ary ny vahoakako mankasitraka izany! Ka inona no hataonareo hiafaran’izany rehetra izany?»
I Israely dia ondry mania izay nohazain’ny liona: ny voalohany nihinana azy, dia ny mpanjakan’i Asiria; ilay anankiray hafa kosa indray, nanapatapaka ny taolany, dia i Nabokodonozora, mpanjakan’i Babela.
Ny hendry dia efa mahazo henatra, miraviravy tanana, ary voasambotra; indro fa nanary ny tenin’i Iaveh izy ireo! Ka inona intsony no ho fahendreny eo...?
Toy ny fandinidiniky ny mpiandry ny ondriny, amin’ny andro hitsanganany eo amin’ireo ondriny mihahaka no handinidinihako ny ondriko; ary hoesoriko izy ireo, hiala any amin’ny tany rehetra efa nielezany tamin’ny andro mandrahona sy manjombona.
Nirehitra tamin’ny mpiandry ny fahatezerako, ary hofaiziko ireo osy lahy! Fa i Iavehn’ny tafika mamangy ny ondriny, ny taranak’i Jodà, ka manao azy toy ny soavalim-boninahiny eo amin’ny ady.
Mifohaza, ry sabatra, hamely ny mpiandry ondriko sy hamely ny lehilahy namako! - teny marin’i Iavehn’ny tafika. - Kapohy ny mpiandry, hihahàfan’ny ondry. Dia hamerina ny tanako ho amin’ny madinika Aho.