Jeremia 10:19 - Baiboly Katolika Loza ho ahy noho ny fahamangànako: manaintaina ny feriko; nefa hoy aho: Eny, anjara fahoriako izao, ka hozakaiko. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Lozako! Torotoro aho! Tsy azo sitranina ny feriko; nefa hoy aho hoe: Anjara fahoriako izao ka hozakaiko ihany. DIEM PROTESTANTA Hoy kosa i Jerosalema hoe: «Indrisy ity fahavoazako e! Lalina ny ratra mahazo ahy. Nefa anjara-fahoriako izao, hoy aho, ka dia hozakaiko ihany. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Hoy kosa i Jerosalema hoe: «Indrisy ity fahavoazako e! Lalina ny ratra mahazo ahy. Nefa anjara-fahoriako izao, hoy aho, ka dia hozakaiko ihany. Baiboly Protestanta Malagasy Mahita loza aho, fa torotoro! Tsy azo sitranina ny feriko; Nefa hoy izaho: Anjara-fahoriako izao, ka dia hozakaiko ihany. Malagasy Bible Mahita loza aho, fa torotoro! Tsy azo sitranina ny feriko; Nefa hoy Izaho: Anjara-fahoriako izao, ka dia hozakaiko ihany. La Bible en Malgache Lozako! Torotoro aho! Tsy azo sitranina ny feriko; nefa hoy aho hoe: Anjara fahoriako izao ka hozakaiko ihany. |
Hadinon’Andriamanitra va ny famindram-pony? Notsoahany noho ny fahatezerany va ny indrafony? - Selà
Manantena an’i Iaveh izay manafina ny tavany amin’ny taranak’i Jakôba aho, ary matoky azy.
Ary lazao azy ireo izao teny izao: Ny masoko handrotsa-dranomaso andro aman’alina tsy tapaka, fa ny virjiny zanaka vavin’ny vahoakako, dia efa hiharan-doza lehibe, sy fery mampanaintaina fatratra.
Ry Iaveh ô, na dia miampanga anay aza ny helokay, aoka hanao ihany Ianao ho voninahitry ny Anaranao; fa maro ny hadisoanay; nanota taminao izahay.
fanantenan’i Israely, Iaveh ô, ho menatra izay rehetra mahafoy anao! Hosoratana amin’ny tany izay miala amiko, satria nandao ny lohan’ny rano velona, Iaveh, izy ireo.
Ny kiboko re! ny kiboko re! mihatra amin’ny vololon’aiko ny fanaintainana! Mikorontana ny foko; tsy afa-mangina aho, fa renao, ry fanahiko, ny feon’anjomara, ny akoran’ady.
Fa izaho nandre feo, toy ny an’ny vehivavy mihetsi-jaza, tahaka ny fidrìdridrìdrin’ny vehivavy vao miteraka voalohany, dia ny feon’ny zanaka vavin’i Siôna; fa sady velon-taraina izy, no mitsotra tanana manao hoe: «Loza no manjò ahy, maty ny aiko, azon’ireo mpamono olona!»
Mangana aho amin’ny hamanganan’ny zanaka vavin’ny oloko; misaona aho ary raiki-tahotra aho.
Iza no mba hampahita ahy, fialofan’ny mpandeha any an’efitra, handaozako ny fireneko, hihatahako amin’izy ireo, satria izy ireo mpijangajanga avokoa, fiangonan’olona mpivadika.
Mitomany amin’alahelo izy, mandritra ny alina, vonton-dranomaso ny takolany, tsy misy mampionona azy ireo mpitia azy rehetra; nivadika taminy ireo namany rehetra, ka tonga fahavalony.
Ranomaso mandriaka no mijononòka amin’ny masoko, noho ny fandravana ny zanaka vavin’ny vahoakako.
Hivesatra ny fahatezeran’i Iaveh aho, satria nanota taminy, mandra-piaikiny ny hiaro ahy amin’ny adiko, sy hampiharihariako ny rariny momba ahy; havoakany aho ho amin’ny mazava, dia hibanjina ny fahamarinany.