Ary teo amin’i Elia ny tanan’i Iaveh ka nisikina izy, dia nihazakazaka teo alohan’i Akaba, hatrany amin’ny fidirana any Jezrahela.
Isaia 8:11 - Baiboly Katolika Fa izao no nolazain’i Iaveh tamiko, raha nandray ahy ny tanany, sy nanoro ahy tsy hanaraka ny lalan’ity firenena ity, nanao hoe: Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Fa izao no nolazain’NY TOMPO tamiko raha nihazona ahy mafy ny tanany ka nanariny tsy handeha amin’ny falehan’ity firenena ity aho: DIEM PROTESTANTA Fony nihazona ahy ny TOMPO ka nampitandrina ahy tsy hanahaka ny toetoetran’ity vahoaka ity, dia niteny tamiko toy izao: Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Fony nihazona ahy ny TOMPO ka nampitandrina ahy tsy hanahaka ny toetoetran’ity vahoaka ity, dia niteny tamiko toy izao: Baiboly Protestanta Malagasy Fa izao no nolazain’i Jehovah tamiko, raha nanindry ahy mafy ny tànany, Ka nanariny tsy handeha amin’ny falehan’ity firenena ity aho: Malagasy Bible Fa izao no nolazain'i Jehovah tamiko, raha nanindry ahy mafy ny tànany, Ka nanariny tsy handeha amin'ny falehan'ity firenena ity aho: La Bible en Malgache Fa izao no nolazain’NY TOMPO tamiko raha nihazona ahy mafy ny tanany ka nanariny tsy handeha amin’ny falehan’ity firenena ity aho: |
Ary teo amin’i Elia ny tanan’i Iaveh ka nisikina izy, dia nihazakazaka teo alohan’i Akaba, hatrany amin’ny fidirana any Jezrahela.
Hampianariko sy hasehoko anao izay lalan-kizoranao; ho mpanolo-tsaina anao Aho, sady hitsinjo anao ny masoko.
Aza mandeha miaraka aminy eny an-dalana, anaka, avilio ny tongotrao tsy ho amin’ny sakeli-dalany;
Loza ho an’izay zaza maditra - teny ton’i Iaveh, izay manao fikasana nefa tsy ombako; sy manao fanekem-pivavahana, nefa tsy omban’ny fanahiko, ka manampy ota ny ota.
Koa izao no lazain’i Iaveh: «Raha miverina amiko ianao, dia hampodiko indray; hitsangananao eo anatrehan’ny Tavako; ary raha manavaka izay sarobidy amin’izay tsinontsinona ianao, dia ho tahaka ny vavako; ary izy ireo hiverina hanatona anao; fa tsy ianao no hiverina hanatona azy.
Ry Iaveh ô, notarihinao aho, ka voatarika, Nosamborinao, ka nahery Ianao. Zavatra fihomehezana aho isan’andro; maneso ahy avokoa ny olona rehetra.
Hoy aho: Tsy hilaza ny aminy intsony aho, tsy hiteny amin’ny Anarany intsony aho!... dia nisy toy ny afo nirehitra ato am-poko, voahidy ao anatin’ny taolako; nanao izay hihazonana azy aho nefa tsy nahatana azy.
Nofaohin’ny Fanahy sy nentiny aho, ka lasa; fangidiana amam-pisafoahana no tao amin’ny fanahiko; ary ny tanan’i Iaveh nihazona ahy mafy.