Fa raha ireo mivily amin’ny lala-miolikolika kosa, aoka izy hafoin’i Iaveh miaraka amin’izay manao ratsy. Fiadanana anie ho amin’i Israely!
Isaia 59:8 - Baiboly Katolika Tsy mahalala ny lalan’ny fiadanana izy; ary tsy mba misy hitsiny eo amin’ny lalany; fa lala-miolakolaka no soritany haleha, ka izay mandia izany tsy mahita fiadanana. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Tsy fantany ny lalan’ny fiadanana ary tsy misy rariny ao amin’ny alehany; nataony miolakolaka ny lalany, koa na iza na iza mandia izany dia tsy mahita fiadanana. DIEM PROTESTANTA Tsy fantatrareo ny lalan’ny fiadanana, ary tsy misy rariny eo amin’izay andalovanareo; lalana miolakolaka no tianareo hosoritana, ka tsy hahita fiadanana izay mandia izany. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Tsy fantatrareo ny lalan’ny fiadanana, ary tsy misy rariny eo amin’izay andalovanareo; lalana miolakolaka no tianareo hosoritana, ka tsy hahita fiadanana izay mandia izany. Baiboly Protestanta Malagasy Ny làlan’ny fiadanana tsy fantany; Ary tsy misy rariny ao amin’ny alehany; Làlana miolakolaka ny làlany, Ka na iza na iza mandia izany dia tsy mahita fiadanana. Malagasy Bible Ny lalan'ny fiadanana tsy fantany; ary tsy misy rariny ao amin'ny alehany; lalana miolakolaka ny lalany, ka na iza na iza mandia izany dia tsy mahita fiadanana. La Bible en Malgache Tsy fantany ny lalan’ny fiadanana ary tsy misy rariny ao amin’ny alehany; nataony miolakolaka ny lalany, koa na iza na iza mandia izany dia tsy mahita fiadanana. |
Fa raha ireo mivily amin’ny lala-miolikolika kosa, aoka izy hafoin’i Iaveh miaraka amin’izay manao ratsy. Fiadanana anie ho amin’i Israely!
Miolikolika ny lalan’ny olo-meloka, fa ny tsy manan-tsiny kosa dia mahitsy amin’ny asany.
Hahita famonjena ny mandeha amin’ny fahamarinana tanteraka, fa ho lavo tsy afa-miarina intsony, ny manaraka lala-miolikolika.
Fa ny taranak’i Israely, no tanimboalobok’i Iavehn’ny tafika, ary ny olona any Jodà, no voly nolalainy; hitsiny no nantenainy taminy, kanjo ra latsaka no niseho; ny fahamarinana no nantenainy, kanjo fitarainam-pahoriana no hita.
Manerona hoatra ny orsa avokoa isika; ary tsy mitsaha-mitoloko hoatra ny voromahailala; miandry ny fitsarana isika nefa tsy tonga izy, miandry ny famonjena nefa lavitra antsika izany.
Noho izany, nanalavitra antsika ny fitsarana marina, ary tsy tonga hatraty amintsika ny fahamarinana. Miandry ny mazava isika, kanjo ny haizina no indro eo; miandry ny fahazavan’ny andro, kanjo mandeha amin’ny maizina ihany.
Namela-tanana tontolo andro aho, mankamin’ny vahoaka niodina, mankamin’ireo mizotra amin’ny lalan-dratsy, araka izay sitraky ny sainy; mankamin’ny vahoaka mihaika ahy,
Tetezo ny lalana ao Jerosalema, ka jereo, fotory; savao eny amin’ny kianjany raha sendra mahita olona iray ao ianareo, raha misy iray monja aza, mba manao ny rariny sy mitady ny hitsiny, dia hamindra fo amin’ny tanàna aho.
Mila loza ianareo, ry mpanora-dalàna sy Farisianina mpihatsaravelatsihy, fa ny ampahafolon’ny solila sy ny aneta ary ny komìna aloanareo; nefa ny zavatra lehibebe kokoa amin’ny Lalàna tsy tandremanareo, dia ny rariny sy ny famindram-po ary ny finoana. Izany no tsy maintsy arahinareo, nefa ireroa koa tsy azonareo avela.
mba hanilo izay rehetra mipetraka ao amin’ny maizina sy amin’ny aloky ny fahafatesana, ka hitarika ny diantsika ho amin’ny làlam-piadanana.»