Izaho izany efa tahaka ny marenina tsy mahare; efa tahaka ny moana izay tsy mahaloa-bava.
Isaia 53:7 - Baiboly Katolika Vonoina Izy, ary mandefitra, tsy niloa-bava akory Izy; tahaka ny zanak’ondry entina hovonoina, tahaka ny ondry vavy eo anatrehan’izay manety azy; tsy miloa-bava akory. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Nampahorina Izy, nefa nanetry tena ka tsy niloa-bava, tahaka ny zanak’ondry entina hovonoina, sy tahaka ny ondrivavy izay moana eo anatrehan’ny mpanety azy; Eny, tsy niloa-bava Izy. DIEM PROTESTANTA Nampahorîna ny Mpanompon’ny Tompo, nefa nanetry tena ka tsy niloa-bava akory, tahaka ny zanakondry entina hovonoina sy tahaka ny ondrivavy eo anatrehan’ny manety azy. Eny, tsy niloa-bava akory izy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Nampahorîna ny Mpanompon’ny Tompo, nefa nanetry tena ka tsy niloa-bava akory, tahaka ny zanakondry entina hovonoina sy tahaka ny ondrivavy eo anatrehan’ny manety azy. Eny, tsy niloa-bava akory izy. Baiboly Protestanta Malagasy Nampahorina Izy, Nefa nanetry tena ka tsy niloa-bava, Dia tahaka ny zanak’ondry entina hovonoina, Sy tahaka ny ondrivavy izay moana eo anatrehan’ny mpanety azy,– Eny, tsy niloa-bava Izy. Malagasy Bible Nampahorina Izy, nefa nanetry tena ka tsy niloa-bava, dia tahaka ny zanak'ondry entina hovonoina, sy tahaka ny ondrivavy izay moana eo anatrehan'ny mpanety azy, eny, tsy niloa-bava Izy. La Bible en Malgache Nampahorina Izy, nefa nanetry tena ka tsy niloa-bava, tahaka ny zanak’ondry entina hovonoina, sy tahaka ny ondrivavy izay moana eo anatrehan’ny mpanety azy; Eny, tsy niloa-bava Izy. |
Izaho izany efa tahaka ny marenina tsy mahare; efa tahaka ny moana izay tsy mahaloa-bava.
Natolotro tamin’ny mpikapoka ahy ny lamosiko; ary tamin’ireo nanongotra ny volombavako, ny takolako; ary ny tavako tsy nafeniko tamin’ny latsa sy ny rora.
Efa mpaniasia toy ny ondry avokoa isika, samy nanaraka ny lalany avy isika; ary nazeran’i Iaveh taminy avokoa ny helotsika rehetra.
Izaho, tamin’izany, hoatra ny zanak’ondry bonaika entin’ny olona hovonoina, ka tsy nahalala ny tetika nataony hamelezana ahy hoe: «Fongory mbamin’ny voany ny hazo! Esory eo amin’ny tanin’ny velona izy ary aoka tsy ho tsaroana intsony ny anarany!»
vantotr’ombalahy iray, ondralahy iray, zanak’ondry iray, efa iray taona, ho sorona dorana;
Fa tsy niteny i Jesoa. Ary hoy ilay lehiben’ny mpisorona taminy: «Mandidy Anao amin’ny Anaran’Andriamanitra velona aho, hilaza aminay raha Ianao no Kristy Zanak’Andriamanitra.»
Fa tsy niteny Izy, na namaly akory. Dia nanontany Azy indray ny lehiben’ny mpisorona nanao hoe: «Ianao va no Kristy Zanak’Ilay isaorana?»
Nony ampitso, nahita an’i Jesoa nanatona azy i Joany, ka hoy izy: «Indro ny Zanak’ondrin’Andriamanitra; indro Ilay manala ny fahotan’ny olona.
Ary niditra tao an-trano indray izy ka nanao tamin’i Jesoa hoe: «Avy aiza moa Ianao?» Fa tsy namaly azy i Jesoa.
Izy Ilay notevatevaina nefa tsy nanevateva, nijaly nefa tsy mba nandrahona, fa nanolo-tena tamin’ny mpitsara Azy tsy an-drariny;
Ary hitako, fa indro, teo afovoan’ny seza fiandrianana sy ny Zava-manana aina efatra, sy teo afovoan’ireo Anti-dahy, dia nisy Zanak’ondry nitsangana, tahaka ny voavono, nanan-tandroka fito sy maso fito, dia ny Fanahy fiton’Andriamanitra nirahina any amin’ny tany rehetra.