Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Isaia 5:21 - Baiboly Katolika

Loza ho an’izay manao ny tenany ho hendry, sy mihevitra azy ho mazava saina!

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Lozan’izay manao azy ho hendry sy mihevi-tena ho manan-tsaina!

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Lozan’ireo olona mihevi-tena ho hendry sy milaza azy ho marani-tsaina!

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Lozan’ireo olona mihevi-tena ho hendry sy milaza azy ho marani-tsaina!

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Lozan’izay manao azy ho hendry Sy manao azy ho mazava saina!

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Lozan'izay manao azy ho hendry sy manao azy ho mazava saina!

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Lozan’izay manao azy ho hendry sy mihevi-tena ho manan-tsaina!

Jereo ny toko



Isaia 5:21
13 Rohy Ifampitohizana  

Amin’ny fandinihina izany, na ny adala aza hahazo hevitra, na ny zanak’ampondra dia aza, ho tonga manan-tsaina.


Raha mahita olona manao azy ho hendry ianao, ny adala no misy hantenaina kokoa noho izy.


Ny kamo manao ny tenany ho hendry, mihoatra ny mpihevitra fito mahira-tsaina.


Aza manao anao ho hendry eo imasonao, fa matahora an’i Iaveh ary mialà amin’ny ratsy.


Satria izy nanao hoe: «Ny nahefàko izany dia noho ny herin’ny tanako, sy noho ny fahendreko, satria mahira-tsaina aho! Ny faritanin’ny firenena, nafindrako, ny hareny nobaboiko, ary ireo nipetraka teo amin’ny seza fiandrianany dia nanongana azy Aho toy ny lehilahy mahery fo.


Iza no notsiratsirainao sy nompanao? Hamely an’izay no nanandratanao feo, sy niandranandrànanao maso? -


Hahatsinontsinona ny mpanapaka Izy, sy hampanjary zava-poana, ny mpitsara amin’ny tany.


Fa nitoky tamin’ny hafetsenao ratsy ianao, nanao hoe: «Tsy misy mahita ahy!» Ny fahendrena amam-pahaizanao, dia izany no nanodòka anao raha ianao nanao anakampo hoe: «Izaho ity, dia izaho irery ihany!»


Dia hoy i Jesoa taminy: «Raha jamba ianareo, dia tsy ho nanan-keloka; fa noho ianareo ankehitriny manao hoe: Mahiratra izahay, dia tsy afaka ny helokareo.»


Nihambo ho hendry izy, ka tonga adala,


Fa mba tsy hanaovanareo ny tenanareo ho hendry, dia tsy tiako tsy ho fantatrao, ry hava-malala, izao zava-miafina izao: nilatsaka amin’ny hajambana ny sasany amin’i Israely, mandra-piditry ny hafenoan’ny Jentily.


Miraisa hevitra: aza miavonavona, fa mifandraisa amin’ny iva toetra. Aza manao ny tenanareo ho hendry.