Isaia 5:19 - Baiboly Katolika izay manao hoe: «Aoka ho dodona izy, aoka hohafainganiny ny asany, hahitantsika azy! Aoka hihakely sy ho tanteraka ny didin’Ilay Masin’i Israely, ka hahafantarantsika!» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 sady miteny hoe: Aoka hohafainganiny sy hododonany ny asany mba ho hitantsika! Ary aoka hanakaiky sy ho tanteraka izay kasain’ny Iray Masin’ny Israely ka ho fantatsika! DIEM PROTESTANTA Fa hoy indrindra izy ireo hoe: «Aoka ho tanteraka haingana dia haingana izay hataon’ny TOMPO, mba hojerenay! Aoka ho tonga amin’ny fotoany ny fikasan’Ilay Masin’i Israely fa tianay ho fantatra!» Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Fa hoy indrindra izy ireo hoe: «Aoka ho tanteraka haingana dia haingana izay hataon’ny TOMPO, mba hojerenay! Aoka ho tonga amin’ny fotoany ny fikasan’Ilay Masin’i Israely fa tianay ho fantatra!» Baiboly Protestanta Malagasy Dia izay manao hoe: Aoka hohafainganiny sy hododonany ny asany, mba ho hitantsika, Ary aoka izay kasain’ny Iray Masin’ny Isiraely ho mby akaiky ka ho tanteraka, mba ho fantatsika! Malagasy Bible Dia izay manao hoe: Aoka hohafainganiny sy hododonany ny asany, mba ho hitantsika, Ary aoka izay kasain'ny Iray Masin'ny Isiraely ho mby akaiky ka ho tanteraka, mba ho fantatsika! La Bible en Malgache sady miteny hoe: Aoka hohafainganiny sy hododonany ny asany mba ho hitantsika! Ary aoka hanakaiky sy ho tanteraka izay kasain’ny Iray Masin’ny Israely ka ho fantatsika! |
Mihainoa ny tenin’i Iaveh, ianareo izay mangovitra amin’ny teniny: Niteny ireo rahalahinareo izay mankahala anareo, sady nandroaka anareo noho ny amin’ny Anarako, nanao hoe: «Aoka hasehon’i Iaveh ny voninahiny, mba hahitanay ny fifalianareo!» Kanefa izy ireo no ho menatra.
Fa zovy moa no nanatrika ny fisainan’i Iaveh, ka nahita sy nandre ny teniny? Iza no efa nanongilan-tsofina nihaino ny teniny, ka nandre izany?»
fa tsy haverinao intsony kosa ny hoe: «Mavesatra ho an’i Iaveh!» Fa ny tenin’ny olona ihany no havesatra aminy avy; satria ianareo mamadika ny tenin’Andriamanitra velona, dia i Iavehn’ny tafika, Andriamanitsika.
Vao toko telo na efatra no voavakin’i Jodì, dia notapahin’ny mpanjaka tamin’ny antsipìkan’ny mpanoratra, ilay taratasy, ka natsipiny tao anatin’ny afo tao am-patana, mandra-pahalevon’ny afo tao am-patana ny horonan-taratasy manontolo.
Ry zanak’olona, inona ity fitenenana ataonareo fiteny eo amin’ny tanin’i Israely hoe: Mihalava ny andro; tsy misy tanteraka ny fahitana rehetra?
Ry zanak’olona, indro ny taranak’i Israely manao hoe: Ny fahitana izay hitan’ilay io mbola ho amin’ny andro lavitra, ary ho amin’ny fotoana mbola ho ela no aminaniany.
Tsy ho ela no hilazany hoe: Tsy mana-mpanjaka isika, noho isika tsy natahotra an’i Iaveh; fa hahavita inona ho antsika moa izay mpanjaka?
Efa nanasatra an’i Iaveh ianareo, tamin’ny teninareo. Ary hoy ianareo: Tamin’ny inona, no nanasaranay Azy? - Tamin’ny fanaovanareo hoe: Na zovy na zovy manao ratsy, dia tsara eo imason’i Iaveh, ary ireo olona ireo no ankasitrahiny! Na tamin’ny hoe: Aiza ny Andriamanitry ny fahamarinana?