Ka hoy ny navaliny: «Feno hafanam-po ho an’i Iaveh Andriamanitry ny tafika aho, fa ny fanekenao nafoin’ny zanak’i Israely, ny ôtelinao nazerany, ny mpaminaninao novonoiny tamin’ny sabatra, izaho irery no sisa, ary tadiaviny halàna aina aho.»
Isaia 49:4 - Baiboly Katolika Dia hoy kosa aho: «Foana ny nisasarako; zava-poana sy tsinontsinona, no nandaniako ny heriko; fa ao amin’i Iaveh ny rariny ananako, ao amin’Andriamanitro ny valisoa ho ahy.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Fa hoy kosa Aho: Foana ny nisasarako, zava-poana sy tsinontsinona no nandaniako ny heriko; kanefa ao amin’NY TOMPO ny rariny tokony ho Ahy, ary ny valin’ny asako dia ao amin’Andriamanitro. DIEM PROTESTANTA Fa izaho kosa manao anakampo hoe: Very maina ny nisasarako; zava-poana sy tsinontsinona no nandaniako ny heriko. Kanefa ny rariny ananako dia ao amin’ny TOMPO; ary Izy Andriamanitro no valisoako. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Fa izaho kosa manao anakampo hoe: Very maina ny nisasarako; zava-poana sy tsinontsinona no nandaniako ny heriko. Kanefa ny rariny ananako dia ao amin’ny TOMPO; ary Izy Andriamanitro no valisoako. Baiboly Protestanta Malagasy Fa hoy kosa Aho: Foana ny nisasarako, Zava-poana sy tsinontsinona no nandaniako ny heriko; Kanefa ao amin’i Jehovah ny rariny tokony ho Ahy, Ary ny valin’ny asako dia ao amin’Andriamanitro. Malagasy Bible Fa hoy kosa Aho: Foana ny nisasarako, zava-poana sy tsinontsinona no nandaniako ny heriko; kanefa ao amin'i Jehovah ny rariny tokony ho Ahy, Ary ny valin'ny asako dia ao amin'Andriamanitro. La Bible en Malgache Fa hoy kosa Aho: Foana ny nisasarako, zava-poana sy tsinontsinona no nandaniako ny heriko; kanefa ao amin’NY TOMPO ny rariny tokony ho Ahy, ary ny valin’ny asako dia ao amin’Andriamanitro. |
Ka hoy ny navaliny: «Feno hafanam-po ho an’i Iaveh Andriamanitry ny tafika aho, fa ny fanekenao nafoin’ny zanak’i Israely, ny ôtelinao nazerany, ny mpaminaninao novonoiny tamin’ny sabatra, izaho irery no sisa, ary tadiaviny halàna aina aho.»
Maro no mila sitraka amin’ny mpanapaka; fa i Iaveh ihany no iavian’ny fitsarana marina ny olona isam-batana.
Iaveh ô, Andriamanitro Ianao; hankalaza Anao aho, hidera ny Anaranao aho, fa efa nanao zava-mahagaga Ianao; mahatoky sy maharitra ny fikasanao vita ela.
Ilazao ny mitebiteby fo ataovy hoe: Makà hery fa aza matahotra. Inty ny Andriamanitrareo; tamy ny famaliana, famalian’Andriamanitra, tenany no avy, dia hamonjy anareo.
Indro fa tonga i Iaveh Tompo, amin’ny heriny; ny sandriny mampiasa ny fanapahana. Indro fa miaraka aminy ny valisoa avy aminy, ary ny tamby homeny, eo anoloany.
Nahoana ianao, ry Jakôba, no milaza, ary ianao koa, ry Israely, no miteny hoe: «Miafina amin’i Iaveh ny lalako, ary takona eo anatrehan’Andriamanitra ny rariny ananako?»
Hifandanja amin’ny asa natao ny valy, dia hatezerana ho an’ny mpandrafy Azy, valim-bonoana ho an’ny fahavalony, hanao valim-bonoana amin’ireo nosy Izy.
Ho revon-kafaliana eo amin’i Iaveh aho, ary hiravoravo amin’ny Andriamanitro ny foko, satria notafiany fitafiam-pamonjena aho, ary nakanjoiny akanjom-pahamarinana, toy ny mpampakatra miravaka diadema eo an-dohany; toy ny ampakarina miraratra ny firavany sarobidy.
Izao no nambaran’i Iaveh, hatrany amin’ny faran’ny tany: «Lazao amin’ny zanaka vavin’i Siôna hoe: Indro, avy ny Mpamonjy anao; ny valisoa homeny efa eny aminy; ary ny tamby hatolony efa eo anoloany.
Namela-tanana tontolo andro aho, mankamin’ny vahoaka niodina, mankamin’ireo mizotra amin’ny lalan-dratsy, araka izay sitraky ny sainy; mankamin’ny vahoaka mihaika ahy,
Tsy hanasa-tena foana intsony izy; na hiteraka ho faty tampoka foana; fa ho taranaka ambinin’i Iaveh izy ireo mbamin’ny solofony miaraka aminy.
Fa rehefa nananatra an’ilay ratsy fanahy kosa ianao, fa izy no tsy nety niala amin’ny haratsiany aman-dalan-dratsiny; dia izy ihany no ho faty amin’ny helony; fa ianao kosa dia namonjy ny fanahinao.
Ho lany maina ny herinareo, fa ny taninareo tsy hahavokatra, ny hazo amin’ny tany tsy hamoa ny voany.
Dia norahonan’i Jesoa ny demony ka nivoaka, ary sitrana niaraka tamin’izay razazalahy.
Ry Jerosalema, ry Jerosalema, izay mamono ny mpaminany sy mitora-bato izay nirahina ho aminao, impiry no nitadiavako hanangona ny zanakao tahaka ny anangonan’ny reniakoho ny zanany eo ambanin’ny elany, fa tsy nety ianao?
Fa hoy kosa Izy nony milaza ny amin’i Israely: Naninjitra ny tanako isan’andro amin’ny firenena tsy mino sy mpikomy Aho.
Ho ahy, dia sitrako mihitsy ny handany sy holaniana manontolo ho an’ny fanahinareo, na dia ho arakaraka ny fitombon’ny fitiavako anareo aza no ho fihenan’ny fitiavanareo ahy.
Fa hanitr’i Kristy ho an’Andriamanitra izahay, na amin’izay voavonjy, na amin’izay very: amin’ny sasany moa, fofom-pahafatesana hahafaty; fa amin’ny sasany kosa, fofom-piainana hahavelona.
mitana ny tenin’ny fiainana; dia hisy ho reharehako amin’ny andron’i Kristy, fa tsy ho nihazakazaka foana aho, na ho nisasatra foana.
mibanjina an’i Jesoa filohany sy mpanefa an-davany sy an-tsakany ny finoana, izay nahazo nifidy ny hafaliana natao teo anoloany, nefa naleony niaritra ny Hazofijaliana, sy tsy nitandro henatra koa; ary efa mipetraka eo ankavanan’ny seza fiandrianan’Andriamanitra.