4 Fa izaho kosa manao anakampo hoe: Very maina ny nisasarako; zava-poana sy tsinontsinona no nandaniako ny heriko. Kanefa ny rariny ananako dia ao amin’ny TOMPO; ary Izy Andriamanitro no valisoako.
4 Fa hoy kosa Aho: Foana ny nisasarako, zava-poana sy tsinontsinona no nandaniako ny heriko; kanefa ao amin’NY TOMPO ny rariny tokony ho Ahy, ary ny valin’ny asako dia ao amin’Andriamanitro.
4 Fa izaho kosa manao anakampo hoe: Very maina ny nisasarako; zava-poana sy tsinontsinona no nandaniako ny heriko. Kanefa ny rariny ananako dia ao amin’ny TOMPO; ary Izy Andriamanitro no valisoako.
4 Dia hoy kosa aho: «Foana ny nisasarako; zava-poana sy tsinontsinona, no nandaniako ny heriko; fa ao amin’i Iaveh ny rariny ananako, ao amin’Andriamanitro ny valisoa ho ahy.»
4 Fa hoy kosa Aho: Foana ny nisasarako, Zava-poana sy tsinontsinona no nandaniako ny heriko; Kanefa ao amin’i Jehovah ny rariny tokony ho Ahy, Ary ny valin’ny asako dia ao amin’Andriamanitro.
4 Fa hoy kosa Aho: Foana ny nisasarako, zava-poana sy tsinontsinona no nandaniako ny heriko; kanefa ao amin'i Jehovah ny rariny tokony ho Ahy, Ary ny valin'ny asako dia ao amin'Andriamanitro.
4 Fa hoy kosa Aho: Foana ny nisasarako, zava-poana sy tsinontsinona no nandaniako ny heriko; kanefa ao amin’NY TOMPO ny rariny tokony ho Ahy, ary ny valin’ny asako dia ao amin’Andriamanitro.
Dia hoy ny navaliny: –Fatratra loatra ny fitiavako Anao, ry TOMPO Andriamanitr’izao rehetra izao ô, koa tsy tantiko intsony ny nandaozan’ireo Israelita ny fanekempihavananao; ny alitaranao noravany, ny mpaminaninao novonoiny ho faty; ary dia izaho irery ihany no sisa, nefa mbola mitady hahafaty ahy koa izy.
TOMPO ô, Ianao no Andriamanitro. Hanandratra Anao sy hankalaza ny anaranao aho, satria notanterahinao ny zava-mahagaga izay efa nokasainao hatry ny elabe sady mafy orina sy azo itokiana.
Indro ny Tompo ANDRIANANAHARY tonga amin-kery sady manana ny fahefana hanjaka. Ny vahoaka, hoentiny miaraka aminy, no ho karamany sady eo anoloany ho valin-kasasarany.
Hamaly ny olona araka ny nataony Izy, dia valifaty mirehidrehitra tokoa ho an’ny mpanohitra Azy sy ho an’ny fahavalony; hatramin’ireo any amin’ny nosy lavitra aza! dia hiharan’izany valifaty izany.
Hifaly dia hifaly amin’ny TOMPO aho; eny, hiravoravo amin’ny Andriamanitro satria ny famonjena no toa akanjo nampiakanjoany ahy ary ny fahamarinana no toa lamba nampitafiany ahy; ka faly toy ny mpampakatra misatroka fehiloha aho na toy ny ampakarina miraratra ny firavany.
Raha ohatra kosa ka nampitandrina azy ianao, nefa tsy nanaiky hiala tamin’ny fahadisoany sy ny toe-dratsiny izy, dia ho faty noho ny otany tokoa izy, fa ianao kosa hahavonjy ny ainao.
Dia hoy i Jesoa: –Karazan’olona tsy mino sady be siasia ianareo! Mandra-pahoviana no hitoerako eto aminareo? Mandra-pahoviana no handeferako aminareo? Ento atỳ amiko ny zaza!
–Ry Jerosalema, ry Jerosalema! Ianao izay mpamono ny mpaminany sy mpitora-bato ireo irahin’Andriamanitra aminao. Efa impiry moa Aho no nikasa hanangona ny mponina ao aminao, tahaka ny reniakoho manomba ny zanany, kanefa tsy nety ianareo.
Raha ny amiko, dia sitrako mihitsy ny handany manontolo ny fananako sy ny aiko hamonjena anareo. Koa raha manao lanja miakatra ny fitiavako anareo, dia hanao lanja midina ve ny fitiavanareo ahy?
ka hanolotra azy ireo ny teny manome fiainana. Raha izany no ataonareo, dia hanan-kireharehana momba anareo aho amin’ny andro hiavian’i Kristy, satria hiharihary fa tsy foana tsy akory ny ezaka nataoko sy ny zavatra nisasarako.