Isaia 48:11 - Baiboly Katolika Noho ny fitiavako ny Tenako, dia noho ny fitiavako ny Tenako no hanaovako izany; satria ahoana no hanazimbana ny Anarako? Tsy hafoiko ho an’ny hafa ny voninahitro. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Noho ny tenako; eny, noho ny tenako ihany no anaovako izany. Indrisy, lotoina ny anarako! Ny voninahitro dia tsy homeko ny hafa. DIEM PROTESTANTA Noho ny amiko no nanaovako izany, eny, noho ny amiko ihany, satria tsy zakako velively ny hanalam-baràka ny anarako; ary ny voninahitro tsy homeko ny hafa. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Noho ny amiko no nanaovako izany, eny, noho ny amiko ihany, satria tsy zakako velively ny hanalam-baràka ny anarako; ary ny voninahitro tsy homeko ny hafa. Baiboly Protestanta Malagasy Noho ny tenako, eny, noho ny tenako ihany no anaovako izany; Indrisy, lotoina ny anarako! Ary ny voninahitro tsy homeko ny hafa. Malagasy Bible Noho ny tenako, eny, noho ny tenako ihany no anaovako izany; indrisy, lotoina ny anarako! Ary ny voninahitro tsy homeko ny hafa. La Bible en Malgache Noho ny tenako; eny, noho ny tenako ihany no anaovako izany. Indrisy, lotoina ny anarako! Ny voninahitro dia tsy homeko ny hafa. |
Tsy izahay, ry Iaveh, tsy izahay, fa ny Anaranao no omeo ny voninahitra noho ny famindram-ponao, sy noho ny fahamarinanao.
Aza tsarovanao ny fahotan’ny fahatanorako, na ny hadisoako, fa tsarovy araka ny famindram-ponao aho, noho ny hatsaram-ponao, ry Iaveh.
Hiaro ity tanàna ity Aho mba hamonjy azy, noho ny amin’ny Tenako, sy noho ny amin’i Davida mpanompoko».
Izaho no Iaveh, izany no Anarako; ary ny voninahitro tsy homeko ny hafa. Ny fanajana Ahy, tsy ho an’ny sampy.
Izaho dia Izaho ihany no namono ny fahadisoanao, noho ny fitiavako ny Tenako, ka tsy hotsarovako intsony ny fahotanao.
dia nambarako taminao hatramin’ny ela izany zavatra izany; nolazaiko taminao talohan’ny hahatongavany izany, fandrao lazainao hoe: «Ny sampiko no nanao izany; ny andriamanitro hazo na anidina no nandidy izany.»
Noho ny Anarako, dia manindry ny hatezerako Aho, ary noho ny voninahitro, dia mandefitra aminao Aho, mba tsy hamongorana anao.
Koa ankehitriny, inona no hataoko eto? - teny marin’i Iaveh - fa nobaboina tsy an-drariny ny vahoakako? Ny mpifehy azy masiaka, manerona; - teny marin’i Iaveh,- ary ny anarako, tevatevaina tsy an-kijanona, isan’andro.
Ry Iaveh ô, na dia miampanga anay aza ny helokay, aoka hanao ihany Ianao ho voninahitry ny Anaranao; fa maro ny hadisoanay; nanota taminao izahay.
Nefa nanao ny ataoko Aho noho ny Anarako mba tsy ho voavetaveta izany eo imason’ireo firenena, izay nahita ny nitondrako azy nivoaka ny tany Ejipta.
Nefa naviliko ny tanako, nanao ny ataoko noho ny Anarako, mba tsy ho voavetaveta izany eo imason’ireo firenena, izay nahita ny nitondrako azy nivoaka.
Ary ny aminareo, ry taranak’i Israely, izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Samia mandeha manompo ny sampinareo avy! Any aorian’izany anefa, hihaino Ahy tokoa ianareo, ka tsy hanevateva ny Anarako masina amin’ny fanatitrareo aman-tsampin-dozanareo intsony.
Ary ho fantatrareo fa Iaveh Aho, rehefa hanao ny ataoko aminareo Aho noho ny Anarako, fa tsy araka ny lalan-dratsinareo, na ny helokareo maharikoriko, ry taranak’i Israely, - teny marin’ny Tompo Iaveh. -
Nefa nanao ny ataoko Aho, noho ny Anarako, mba tsy ho voavetaveta izany eo imason’ireo firenena nitoerany; sady teo imason’ireo koa no nanaovako izay hahafantarany Ahy, hitondrako azy hivoaka ny tany Ejipta.
Noho izany, lazao amin’ny taranak’i Israely hoe: Izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Tsy noho ny aminareo, no anaovako an’izao, ry taranak’i Israely, fa noho ny Anarako Masina izay nalanareo baraka, tany amin’ny firenena nalehanareo.
mba hanajan’ny olona rehetra ny Zanaka tahaka ny fanajany ny Ray. Izay tsy manaja ny Zanaka, dia tsy manaja ny Ray izay naniraka Azy.
satria noho ianareo ihany no itenenan-dratsy ny Anaran’Andriamanitra any amin’ny Jentily, araka ny lazain’ny Soratra Masina.
Fa tsy handao ny olony i Iaveh, noho ny Anarany lehibe, satria sitrak’i Iaveh ny nanao anareo ho olony.