Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Isaia 48:11 - DIEM PROTESTANTA

11 Noho ny amiko no nanaovako izany, eny, noho ny amiko ihany, satria tsy zakako velively ny hanalam-baràka ny anarako; ary ny voninahitro tsy homeko ny hafa.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

11 Noho ny tenako; eny, noho ny tenako ihany no anaovako izany. Indrisy, lotoina ny anarako! Ny voninahitro dia tsy homeko ny hafa.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

11 Noho ny amiko no nanaovako izany, eny, noho ny amiko ihany, satria tsy zakako velively ny hanalam-baràka ny anarako; ary ny voninahitro tsy homeko ny hafa.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

11 Noho ny fitiavako ny Tenako, dia noho ny fitiavako ny Tenako no hanaovako izany; satria ahoana no hanazimbana ny Anarako? Tsy hafoiko ho an’ny hafa ny voninahitro.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

11 Noho ny tenako, eny, noho ny tenako ihany no anaovako izany; Indrisy, lotoina ny anarako! Ary ny voninahitro tsy homeko ny hafa.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

11 Noho ny tenako, eny, noho ny tenako ihany no anaovako izany; indrisy, lotoina ny anarako! Ary ny voninahitro tsy homeko ny hafa.

Jereo ny toko dika mitovy




Isaia 48:11
23 Rohy Ifampitohizana  

Nefa noho Izy Tompo dia novonjeny ny razanay mba hampahafantarany ny heriny lehibe.


Aza izahay, ry TOMPO ô, aza izahay fa Ianao ihany no omem-boninahitra, noho ny fitiavanao sy ny toetranao mahatoky.


TOMPO ô, mba ho voninahitrao, dia avelao ny heloko na lehibe aza.


Koa hadinoy ny fahotako, fony aho tanora; eny, hadinoy re izay hadisoana vitako; nefa mba tsarovy kosa aho, TOMPO ô, satria be fitiavana sy tsara fo Ianao.


Harovako i Jerosalema ary hovonjeko noho ny amin’ny tenako sy i Davida mpanompoko.› »


Izaho no TOMPO, izany no anarako ka ny voninahitro tsy homeko ny hafa ary ny fiderana Ahy tsy avelako ho an’ny sampy.


Kanefa Izaho dia Izaho mihitsy no mamela ny fahadisoanao noho ny amin’ny tenako ihany, ka tsy hotsarovako intsony ny fahotanao.


Koa nambarako anareo hatry ny ela ireny zavatra ireny ary nampandrenesiko anareo talohan’ny nisehoany, sao lazainareo hoe: «Ny sampinay no nanao ireny; ny andriamanitray sarisokitra hazo na sarivongana varahina no nanome baiko toy izany.»


Fa satria Andriamanitra Aho, dia notoneko ny fahatezerako ary ho fitandroako ny voninahitro, dia nandà tsy handringana anareo Aho.


Ary amin’izao toe-javatra ankehitriny eto izao, inona no tombony azoko?» Ka hoy ny teny hentitry ny TOMPO hoe: «Natao babo maimaimpoana ny vahoakako. Mirehaka manakora ny mpanjakazaka mampahory azy; ary hamavoina isan’andro ny anarako.


TOMPO ô, miampanga anay ny fahadisoanay; nefa miasà Ianao ho voninahitry ny anaranao. Niodina taminao matetika izahay; taminao no nanotanay.


Kanefa notandroviko ny lazako mba tsy hozimbazimbain’ireo firenen-kafa nahita ny namoahako ny Israelita hiala tany Ejipta.


Nefa tsy nanao izany Aho ary nitandro ny lazako mba tsy hozimbazimbain’ny firenen-kafa izay nahita ny namoahako ny Israelita niala tany Ejipta.


Ary ny aminareo Israelita kosa dia izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: ‹Samia miroso manompo ny sampiny avy ianareo! Nefa any aoriana any dia hankatò Ahy mihitsy ianareo, ary tsy hanimbazimba ny anarako masina intsony amin’ny fanolorana fanatitra ho an’ny sampinareo.


Tsy araka ny toe-dratsinareo sy ny asa tsy mendrika nataonareo no havaliko anareo, ry Israelita, fa mba ho fitandroako ny lazako. Amin’izay dia hoekenareo fa Izaho no TOMPO. Teny hentitra avy amiko Tompo ANDRIANANAHARY izany.»


Kanefa notandroviko ny lazako mba tsy hozimbazimbain’ny firenen-kafa niarahany nonina. Fa teo imason’ireo firenena ireo no nanaovako izay hahafantaran’ny Israelita Ahy tamin’ny namoahako azy hiala tany Ejipta.


Koa ambarao amin’ny Israelita fa izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: Izay hataoko, ry Israelita, dia tsy noho ny aminareo no hanaovako azy, fa mba hanajana ny anarako masina izay nozimbazimbainareo tany amin’ny firenena izay nalehanareo.


Ary ankehitriny, ry Andriamanitray ô, henoy ny vavaka amam-pifonako; ka jereo amin-katsarampo ny Toeramasinao efa simba, satria Ianao no Tompo.


mba hanajan’ny olona rehetra ny Zanaka tahaka ny anajan’ny olona rehetra ny Ray: izay tsy manaja ny Zanaka, dia tsy manaja ny Ray Izay naniraka Azy.


Izany tokoa no ilay voalazan’ny Soratra Masina hoe: «Noho ianareo Jiosy ihany no anevatevana ny anaran’Andriamanitra any amin’ny hafa firenena.»


Fa tsy handao anareo ny TOMPO noho ny fitandroany ny voninahiny, satria efa sitrany ny nanao anareo ho vahoakany.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra