Isaia 42:3 - Baiboly Katolika Ny volotara efa poritra, tsy hotapahiny; ny lahin-jiro efa ho faty, tsy hovonoiny. Hanambara ny rariny, araka ny marina izy; Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Tsy hotapahiny ny volotara torotoro, ary tsy hovonoiny ny lahin-jiro manetona; hanao fitsarana marina tokoa Izy. DIEM PROTESTANTA Tsy hotapahiny ny volotara folaka, ary tsy hovonoiny ny lahin-jiro manetona fa hamoaka ny lamina ara-drariny tokoa izy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Tsy hotapahiny ny volotara folaka, ary tsy hovonoiny ny lahin-jiro manetona fa hamoaka ny lamina ara-drariny tokoa izy. Baiboly Protestanta Malagasy Tsy hotapahiny ny volotara torotoro, Ary tsy hovonoiny ny lahin-jiro manetona; Hamoaka izay tena rariny tokoa Izy. Malagasy Bible Tsy hotapahiny ny volotara torotoro, ary tsy hovonoiny ny lahin-jiro manetona; Hamoaka izay tena rariny tokoa Izy. La Bible en Malgache Tsy hotapahiny ny volotara torotoro, ary tsy hovonoiny ny lahin-jiro manetona; hanao fitsarana marina tokoa Izy. |
Fa misy olon-kafa firenena, mitsangan-kamely ahy; misy olona mpanao an-keriny mitady ny aiko; tsy manao an’Andriamanitra eo imasony izy. - Selà
fa tsy maintsy hifanaraka amin’ny rariny indray ny fitsarana, ary hihoby amin’izany avokoa ny olona mahitsy fo.
eo anatrehan’i Iaveh fa avy Izy. Avy hitsara ny tany Izy; hitsara izao tontolo izao araka ny rariny Izy, ary ny firenena, araka ny fahamarinany.
Eo anatrehan’i Iaveh, fa avy hitsara ny tany Izy; hitsara ny tany araka ny rariny Izy, sy ny vahoaka araka ny hitsiny.
Ho mpanelanelana amin’ny vahoaka Izy, ary ho mpitsara ny firenena maro. Ny sabany hotefeny ho lela fangadin’omby, ary ny lefony ho antsy fijinjana. Ny firenena tsy hisy hanangan-tsabatra hamely ny firenena hafa, ary tsy hianatra ady intsony ny olona.
Toy ny mpiandry ondry hiandry ny andian’ondry Izy; handray ny zanak’ondry amin’ny sandriny, hitondra an’ireny eo an-trotroany, ary handroaka moramora ny mampinono.
Tsy hiantso mafy izy, na hanandra-peo, na hanao izay handrenesana ny feony eny an-dalambe.
Iza aminareo no matahotra an’i Iaveh, sy mihaino ny feon’ny Mpanompony? Na iza na iza mandeha amin’ny maizina, sy tsy manana fahazavana, aoka izy hatoky ny Anaran’i Iaveh, sy hiankina amin’ny Andriamaniny!
Nomen’i Iaveh Tompo, ny lelan’ny mpianatra aho, mba hahaizako mankahery ny reraka, amin’ny teniko. mamoha isa-maraina izy; mamoha ny sofiko izy, mba hihainoako, hoatra ny fihainon’ny mpianatra.
Iza moa ity avy any Edôma, avy any Bôsrà, mitafy mena midorehitra? Mamirapiratra izy amin’izany fitafiana izany, mijoro amin’ny haben’ny heriny. - Izaho ity, izay miteny amim-pahamarinana, sady manan-kery hamonjy.
Izao rehetra izao nataon’ny tanako avokoa; ka izany no nahatonga azy ho misy; - teny marin’i Iaveh.- Izao no olona tsinjoviko, dia izay manetry tena sy torotoro fo, ary mangovitra amin’ny teniko.
Ny very hotadiaviko; ny nania, haveriko; ny naratra hotsaboiko; ary ny marary, hohatanjahiko; fa ny matavy sy ny matanjaka kosa haringako; handrasako ara-drariny izy ireo.
Hivesatra ny fahatezeran’i Iaveh aho, satria nanota taminy, mandra-piaikiny ny hiaro ahy amin’ny adiko, sy hampiharihariako ny rariny momba ahy; havoakany aho ho amin’ny mazava, dia hibanjina ny fahamarinany.
Mankanesa atỳ amiko ianareo rehetra izay mitondra fahoriana sy mitondra ny mavesatra entana, fa hanamaivana anareo Aho.
tsy hanapaka ny volotara vaky Izy, na hamono ny lahin-jiro manetona ambara-pamoakany ny rariny ho mpandresy;
Ary hoy izy tamin’i Tomà: «Ataovy eto ny rantsan-tananao, ka zahao ny tanako, ary arosoy ny tananao, ka atehefo eto amin’ny tratrako; dia minoa, fa aza malain-kino.»
Raha Izaho ihany, tsy mahazo manao na inona na inona; fa araka izay reko no itsarako, ka marina ny fitsaràko, satria tsy mitady ny sitrapoko aho, fa ny sitrapon’Izay naniraka Ahy.
Nanaraka izany, dia indro hitako nisokatra ny lanitra, ary nisy soavaly fotsy niseho teo; Mahatoky sy Marina no anaran’ilay nitaingina azy, ary ara-drariny no itsaràny sy iadiany;