Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 31:25 - Baiboly Katolika

25 Fa ny fanahy mangetaheta, hampisotroiko, ary ny fanahy reraka, hovokisako.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

25 Fa ny fanahy ana dia hampisotroiko, ary ny fanahy mihaosa rehetra dia hovokisako.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

25 Fa hampahereziko ireo efa reraka, ary homeko izay ilainy ireo rehetra efa trotraka. (

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

25 Fa hampahereziko ireo efa reraka, ary homeko izay ilainy ireo rehetra efa trotraka. (

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

25 Fa ny fanahy ana dia hampisotroiko, Ary ny fanahy mihaosa rehetra dia hovokisako.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

25 Fa ny fanahy ana dia hampisotroiko, ary ny fanahy mihaosa rehetra dia hovokisako.

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 31:25
14 Rohy Ifampitohizana  

Fa ny fanahy mangetaheta, nataony afa-ketaheta, ary ny fanahy noana novokisany soa.


mamelombelona ny fanahiko. Mitarika ahy amin’ny lala-mahitsy; noho ny Anarany.


Ka izy ireo dia samy ho fiarovana amin’ny rivotra; ho fialofana amin’ny ranonoram-baratra; tahaka ny ranovelona amin’ny tany karankaina; tahaka ny alo-batolampy eo amin’ny tany foana.


Manome hery an’izay sasatra Izy ary mampitombo tanjaka an’izay reraka.


Ireo ory sy mahantra, izay mitady rano fa tsy mahita, ka mainan’ny hetaheta ny lelany, dia Izaho Iaveh no hihaino azy, Izaho Andriamanitr’i Israely tsy handao azy.


Nomen’i Iaveh Tompo, ny lelan’ny mpianatra aho, mba hahaizako mankahery ny reraka, amin’ny teniko. mamoha isa-maraina izy; mamoha ny sofiko izy, mba hihainoako, hoatra ny fihainon’ny mpianatra.


Ho avy izy, omban-kobim-pifaliana ho eo amin’ny havoan’i Siôna. Hitanjozotra ho eo amin’ny zava-tsoan’i Iaveh izy ireo, ho amin’ny vary, ny divay vaovao, ny diloilo, ho amin’ny ondry aman’omby; ho toy ny saha vonton-drano ny fanahiny, ka hitsahatra tsy halazo intsony.


Hovokisako ny matavy ny fanahin’ny mpisorona; ary hivoky ny zava-tsoako ny oloko; - teny marin’i Iaveh. -


Amin’ny tany tsara ho fiandrasana no hiandrasako azy; ary any an-tendrombohitra avon’i Israely no ho valany; any izy no handry amin’ny valan’ondry tsara, sy hihinana amin’ny tany be vilona, eny an-tendrombohitr’i Israely


Mankanesa atỳ amiko ianareo rehetra izay mitondra fahoriana sy mitondra ny mavesatra entana, fa hanamaivana anareo Aho.


Sambatra izay noana sy mangetaheta ny fahamarinana, fa ho voky izy.


ary ny noana novokisany soa, fa ny mpanan-karena kosa dia nampodiny mitondra tanam-polo.


satria ny rano homeko azy, dia ho tonga loharano miboiboika ao anatiny hatrany amin’ny fiainana mandrakizay.»


Nefa kosa, Andriamanitra ilay mpanafaka alahelo ny ory dia nanafaka alahelo anay tamin’ny nahatongavan’i Tito,


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra