Efa nanototra ny fanahinay izaitsizy, ny famingavingan’ny mpirehareha, ny fanevatevan’ny mpiavonavona.
Isaia 32:9 - Baiboly Katolika Ry vehivavy tsy manahy, mitsangàna, mihainoa ny feoko! Ry zazavavy tsy manahy, mampandria sofina amin’ny teniko. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Mitsangàna, ry vehivavy tsy manana ahiahy, ka henoy ny feoko! Ry zazavavy matokitoky foana, mihainoa ny teniko! DIEM PROTESTANTA Ry andriambavilanitra mitoredretra, mitsangàna hihaino ahy, ry tovovavy tsy rototra, tandremo izay hambarako! Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ry andriambavilanitra mitoredretra, mitsangàna hihaino ahy, ry tovovavy tsy rototra, tandremo izay hambarako! Baiboly Protestanta Malagasy MITSANGÀNA, ry vehivavy miadana, ka mandrenesa ny feoko; Ry zazavavy matokitoky foana, mihainoa ny teniko. Malagasy Bible Mitsangàna, ry vehivavy miadana, ka mandrenesa ny feoko; Ry zazavavy matokitoky foana, mihainoa ny teniko. La Bible en Malgache Mitsangàna, ry vehivavy tsy manana ahiahy, ka henoy ny feoko! Ry zazavavy matokitoky foana, mihainoa ny teniko! |
Efa nanototra ny fanahinay izaitsizy, ny famingavingan’ny mpirehareha, ny fanevatevan’ny mpiavonavona.
Efa niteny i Iaveh nanao hoe: «Noho ireo zanaka vavin’i Siôna tonga mpiavonavona, mandeha misolanandrana, mianjonanjom-pijery, malako famindra, ary mampikorintsandrintsana ny masom-bola fehitongony,
Ianareo vehivavy, mihainoa ny tenin’i Iaveh, ary aoka horaisin’ny sofinareo ny tenin’ny vavany! Ampianaro hira fitomaniana anankiray ny zanaka vavinareo, ary samia mampianatra hira fisaonana anankiray ny namany avy.
Fa tafanika tamin’ny varavarankelintsika ny fahafatesana, tafiditra ny lapantsika izy, handringana ny zaza eny an-dalambe, sy ny zatovo eny an-kianjam-bahoaka:
Ireo nihinan-kanim-pỳ fahizay, dia midaboky ny hanoanana eny an-dalambe; mandamaka eny amin’ny zezika ireo nolanjaina mipetraka amin’ny jaky.
Io no ilay tanàna niravoravo, nipetraka amin-toky nanao anakampo hoe: Izaho, ary tsy misy afa-tsy izaho! Ahoana no nanjariany ho efitra, sy fonenan’ny biby! Na iza na iza handia azy, dia hisitrìsitra sy hanifikifi-tanana.
Ny vehivavy fatra-piangentsana sy zatra manao fiainana indrindra aminareo, izay malemilemy sy sarotsarotiny ka tsy sahy manitsaka ny tany amin’ny faladiany akory, dia ho ratsy fijery ny vady mandry eo am-pofoany, sy ny zanany lahy aman-janany vavy,
Nony nilaza izany i Joatama, dia lasa nitsangana teo an-tampon’ny tendrombohitra Garizima, ka nanandratra ny feony, nanao hoe: Henoy aho, ry mponina ao Sikema, mba hihainoan’Andriamanitra anareo koa: