Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Isaia 32:9 - DIEM PROTESTANTA

9 Ry andriambavilanitra mitoredretra, mitsangàna hihaino ahy, ry tovovavy tsy rototra, tandremo izay hambarako!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

9 Mitsangàna, ry vehivavy tsy manana ahiahy, ka henoy ny feoko! Ry zazavavy matokitoky foana, mihainoa ny teniko!

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

9 Ry andriambavilanitra mitoredretra, mitsangàna hihaino ahy, ry tovovavy tsy rototra, tandremo izay hambarako!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

9 Ry vehivavy tsy manahy, mitsangàna, mihainoa ny feoko! Ry zazavavy tsy manahy, mampandria sofina amin’ny teniko.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

9 MITSANGÀNA, ry vehivavy miadana, ka mandrenesa ny feoko; Ry zazavavy matokitoky foana, mihainoa ny teniko.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

9 Mitsangàna, ry vehivavy miadana, ka mandrenesa ny feoko; Ry zazavavy matokitoky foana, mihainoa ny teniko.

Jereo ny toko dika mitovy




Isaia 32:9
15 Rohy Ifampitohizana  

Ela loatra no tototry ny tebak’ireo tretrika izahay, sy tototry ny eson’ireo mpiavonavona!


Koa manongilàna sofina hihaino tsara ahy, ary tandremo izay lazaiko aminareo:


Hoy koa ny TOMPO hoe: «Miandranandrana erỳ ny andriambavilanitr’i Tsiôna, mianjonanjona aoka izany rehefa mamindra, mianjola fijery sady mitsingintsingim-pandeha, mampikorintsana ny haba amin’ny hato-tongony.»


Ianareo vehivavy, mihainoa ny tenin’ny TOMPO, sokafy tsara ny sofinareo amin’izay lazainy: ampianaro hira fisaonana ny zanakavavinareo, samia ianareo mampianatra ny namany avy izao tononkira fitomaniana izao:


«Mianika ny varavarankelintsika ny fahafatesana, ary miditra ao an-dapantsika; eny an-dalambe no andringanany ny ankizy ary eny an-kianja no andripahany ny zatovo.»


Ireo mpihinana hanim-py dia mitofezaka eny an-dalambe. Ireo nobeazina tamin’ny fitafiana jaky dia mihosinkosina eny an-tobim-pako.


Izany no hiafaran’ilay tanàna fatra-pirehareha, sady niaina tamim-pilaminana ary nihevi-tena ho tsy manan-tsahala. Indrisy, efa tonga lao izy izao ary fierem-biby! Izay rehetra mandalo eo akaikiny dia hisioka sy hanakifi-tanana ho fanesoana azy.


Dia nofaranan’i Jesoa hoe: –Izay manan-tsofina hihainoana, aoka hihaino!


Ny vehivavy, faran’izay miangentsana sy miaingitraingitra eo aminareo, ka tsy mbola nanandrana nandia tany, dia ho ratsy fijery ny vady andefimandriny sy ny zanakalahiny ary ny zanakavaviny;


Notantaraina tamin’i Jôtama izany. Koa lasa izy nitsangana teo an-tampon’ny tendrombohitra Gerizima, dia nanandra-peo ka niantso mafy hoe: –Mihainoa ahy ianareo mponin’i Sekema, dia mba hihaino anareo koa Andriamanitra!


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra